• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny ala : Asa sarotra, mpianala 1 miaro velaran-tany 27.000 ha eto Madagasikara

07/07/2025 06:51 © Moov.Mg

Midadasika i Madagasikara, ka mila mpianala betsaka mba hiaro ny tontolo iainana eto amintsika, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandritra ny lanonana notontosaina teny amin’ny ivon-toeram-panofanana ireo teknisianin’ny ala (CNFTF) eny Angavokely. Tamin’io fotoana io no namoahana mpianala 60 isa vaovao, no sady nitokanana fotodrafitrasa vaovao ihany koa.

Mila mpianala maro hiaro ny tontolo iainana

Niorina tamin’ny taona 1948 ny CNFTF, fa nikatona izany tamin’ny taona 1958. Niverina nisokatra indray ity ivon-toerana ity tamin’ny taona 20218, izany hoe : tsy nanofana teknisianin’ny ala i Madagasikara nandritra ny 60 taona teo ho eo, araka ny fampahatsiahivana nataon’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, ny sabotsy 5 jolay 2025 teo, teny Angavokely. Mpianatra ho teknisianin’ny ala miisa 60 no navoaka tamin’ny fomba ôfisialy teny an-toerana, izay nizara ho andiany roa, dia ny « Iraka » sy ny « Vonona ». Vehivavy ny 15 amin’ireo, raha toa ka lehilahy kosa ny 45. Ity ivon-toerana ity moa no hany tokana manofana teknisianin’ny ala manerana an’i Madagasikara. Andiany miisa 4 izay no efa voaofana, hatramin’ny niverenan’ny CNFTF nisokatra indray.

Raha ny fenitra iraisam-pirenena dia tokony hiandraikitra velarany-tany 2000 ha ny mpianala iray. Tsy izany anefa ny zava-misy eto Madagasikara fa mpianala 1 miaro velaran-tany 27.000 ha. Araka izany, mbola tena tsy ampy ny isan’ny mpianala eto amintsika. Noho izany indrindra, araka ny fanazavan’ny minisitra, dia manao adisisika ny ministera tantanany, mba hahazoan’ireo mpianala anjara amin’ireo « postes budgétaires » ao anatin’ny teti-bolam-panjakana 2026. Samy mila mpianala avokoa ny Faritra 24 eto Madagasikara, fa ireo valan-javaboahary sy faritra arovana no tena laharam-pahamehana amin’izany, araka ny fanazavana.

Mpianala miasa eny an-kianja

Ankoatra ny isan’ny olona dia mbola tsy ampy ihany koa ny fitaovana entina miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara. Efa nisy ny ezaka natao, toy ny fampiasana « drone », saingy mbola mila fampitaovana ireo miasa eny an-kianja. Isan’ny paikady eo an-dalam-pametrahana ny fampiasan’ireo mpianala ny basy, sy ny fampiofanana azy ireo mikasika izany, iarahana miasa amin’ny Zandarimariam-pirenena, taorian’ny fangatahana nataon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny taona lasa. Tsikaritra, nandritra ny matso notontosaina tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona lasa teo, fa nitondra basy ireo mpianala. Tena ilaina ny fampiasan’ireo mpianala azy ireny, satria rehefa eny an-kianja izy ireo dia mifanehatra amin’ireo karazan’olona mpanao trafika, izay manana fitaovam-piadiana, hoy ny fanazavan’ny minisitra. Notsiahiviny rahateo fa tafiditra ao anatin’ny « paramilitaire » ny mpianala, izay nanana alalana hitondra basy hatramin’ny taona 1982.

Ankoatra ny famoahana ireo andiana teknisianin’ny ala miisa roa, tao anatin’ny lohahevitra hoe : « Teknisianin’ny ala, manolo-tena ho an’ny natiora sy ny taranaka ho avy », dia nisy ihany koa ny fitokanana fotodrafitrasa vaovao tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny CNFTF Angavokely, dia trano fatoriana (dortoir) iray, ho fanampin’ny iray efa misy, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eorôpeanina. Afaka mandray mpiofana miisa 60 ireo trano fatoriana ireo ankehitriny. Nokendrena mba ho harifomba ihany koa, ka nasiana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy aterineto. Manana milina « semi-industriel » maromaro, hahafahan’ireo mpiofana mianatra ny momba ny fanodinana ny hazo ihany koa ny CNFTF, araka ny fanazavan’ny minisitra Fontaine Max Andonirina.



Lire la suite

Articles Similaires