Antananarivo : Hivoaka anaty fotoana fohy ny fanamarinana ny fananan-tany sy ny saritany
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny DAI na « Distributeur Automatique d’Information » ho an’i Antananarivo Renivohitra, androany, 7 jolay. Eny amin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany Tana-Ville no ahitana ity fanavaozana ara-nomerika ity. Ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, Naina Andriantsitohaina, no nanokatra izany.
Fitaovana manamora sy manafaingana ny filàna taratasy
Fitaovana nomerika vaovao ity DAI na Distributeur Automatique d’Information ity. Tanjona ny hahafahan’ny olompirenena mahazo avy hatrany na amin’ny fotoana fohy ny taratasy fanamarinana fananan-tany sy saritaniny. Tafiditra amin’ny dingana fanavaozana sy fanatsarana ny tolotra ho an’ny daholobe, ity fitaovana ity. Tanteraka ihany koa izy vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa PRODUIR izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Izy io dia tohin’ny ezaka efa natao teo amin’ny famindrana amin’ny endrika nomerika (dématérialisation) ny antontan-taratasy rehetra eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hanamaivanana ny asa miandry ireo mpila taratasy.
Mora ampiasaina
Nandritra ny lanonana dia notanterahina ny fitsidihana ny toerana, narahina fanazavana fohy sy fampisehoana mivantana ny fomba fiasan’ny DAI. Tsy ilaina intsony ny ankamaroan’ny filaharana lava na fikarohana an-tanana. Amin’ny alalan’ity milina ity, dia azo atao ny maka mivantana ny « certificat d’immatriculation », « situation juridique », izay azo eo noho eo ary « plan individuel », izay azo afaka 70 ora.
Nambaran’ny Minisitra Naina Andriantsitohaina fa "dingana lehibe amin’ny fanavaozana nomerika sy fanakaikezana ny tolotra ho an’ny vahoaka no tanteraka ankehitriny."
Fampitaovana ny APIPA
Nifanindra-dalana tamin’ity fandraisana amin’ny fomba ofisialy ity fitaovana nomerika ity ny fanolorana fitaovana entina ampiasain’ny APIPA amin’ny fandavahana sy fanariana rano. Fanohanana ara-teknika izay tena hanampy betsaka amin’ny fanarenana ny fandehanan’ny rano ao amin’ny canal C3, ary koa amin’ny fitohizan’ny fanadiovana sy fikojakojana an’ireo fotodrafitrasa efa misy.
Natao izany rehetra izany hanatsarana sy hanamorana ny fomba fiasa.