Asa any ivelany : Malagasy aman’arivony isan-taona no mandeha miasa any Canada
Mahaliana ny Malagasy mitady asa i Canada, ary tian’i Canada ihany koa ny teratany Malagasy miasa ao aminy. Isan-taona, tao anatin’ny 4 taona izao, dia aman’arivony ireo mahazo fifanarahana arak’asa ho any an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, teo amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) sy ny Chambre de Commerce Canado-Malagasy (CANCHAM), omaly.
Napetraka ny rafitra hiarovana ireo mpiasa
Hapetraka ny rafitra mazava sy azo antoka hiarovana ny mpiasa Malagasy mandeha mifindra monina sy mila ravinahitra any Canada ; izany no votoatin’ity fifanaraham-piaraha-miasa ity. Marihina fa ahitana ireo Malagasy ireo avokoa ny sehatra samihafa toy ny fahasalamana, elektronika, fambolena sy ny maro hafa. Manana ny fahaizana amin’izany ny Malagasy ka rariny raha tohanana sy arovana mba hahafahany mahita asa araka ny ilainy, hoy ny Minisitra. Araka izany, hiompana amin’ny fametrahana fifindra-monina ara-dalàna, milamina sy mirindra ny Fifanarahana nifanaovana tamin’ny CANCHAM. Eo ihany koa ny fanamoràna ny fanomezana ny atotan-taratasy ho an’ny mpiasa ho any Canada.
Fanamafisana fahaiza-manao
Isan’ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy handeha ho any Canada. Hampifanarahana amin’ny filàn’ny Kanadianina ny fahalalan’ireo tanora mba hahafahan’izy ireo mahazo toerana. Tanjon’izany ihany koa ny mba hahafahan’izy ireo mifaninana raha mitaha amin’ny mpiasa avy amin’ny firenen-kafa. Manamafy ny andraikiny ny MTEFoP amin’ny fandefasana mpiasa any ivelany, ao anatin’izany.
Tanjon'ity fifanarahana ity, araka izany, ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta mba hampiroboroboana ny fifindra-monina matihanina ho an'ny Malagasy mankany Canada. Kendrena amin'izany ny hanomezana fahafahana ny tanora Malagasy hanatsara ny fahaizany sy hampitomboana ny fahafahany mahita asa any an-toerana.