Volamena : amporisihina hiala amin’ny fampiasana merkiora ireo mpitrandraka madinika
Isan’ireo nanasonia ny Fifanarahana “Minamata” momba ny Merkiora i Madagasikara, tamin’ny volana ôktobra 2013. Votoatin’io fifanarahana io ny fanafoanana ny fampiasana ny merkiora amin’ny sehatra rehetra. Mbola tena ampiasaina betsaka anefa ity akora ity eto amintsika, amin’ny fitrandrahana volamena.
Fampanarahana fenitra ny fitrandrahana volamena
Antom-pisian’ny tetikasa Planet Gold Madagascar ny fampiharana ny fifanarahan’i Minamata, amin’ny alalan’ny fampanarahana fenitra ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara. Ireo mpitrandraka madinika sy salantsalany, amin’ny ankapobeny, no tena mampiasa merikiora. Araka ny fantatra dia araraka amin’ny toerana kasaina hanatanterahana fitrandrahana ny merkiora, ka raha manome lokom-bolamena izany dia misy volamena azo alaina eo amin’ilay toerana.
Manimba ny tany sy miteraka aretina toy homamiadana, anefa, ny fampiasana ny merkiora hitrandrahana volamena. Ny zaza sy ny vehivavy bevohoka no tena lasibatra amin’izany. Very any anaty loharano sy mitsika any anaty tany mantsy ireo merikiora, izay misy akora simika, ka manapoizina ireo olona mampiasa ny rano.
Miala amin’ny fampiasana merkiora
Mba ho fampahafantarana ireo mpitrandraka sy ho fanentanana azy ireo hiala amin’ny fampiasana ny merkiora, dia nisy ny fampiofanana nomen’ny Planet Gold Madagasikara ho an’ireo mpitrandraka volamena ao Toliara, nandritra ny roa andro. Araka ny fanazavan’ny Dr Randrianomenjanahary Liliane Hanitriniaina, mpandrindra nasiônalin’ny tetikasa Planet Gold Madagascar. Dia nofanina momba ny merkiora sy nampahafantarina momba ny fifanarahan’i Minamata ireo mpitrandraka. Aorian’izay dia ho lasa masoivohon’ny tetikasa Planet Gold any amin’ny Faritra Atsimo andrefana izy ireo, ka ho afaka hanentana ireo mpitrandraka namany momba ny voka-dratsin’ny merkiora eo amin’ny fahasalamana sy eo amin’ny tontolo iainana.
Isan’ny tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fampanarahan-dalàna ireo mpitrandraka madinika sy amin’ny fomba artizanaly, iarahana amin’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitaovana azy ireo, izay sady fomba ialana amin’ny fampiasana merkiora no hampitombo ny vokatry ny fitrandrahana ihany koa. Marihina fa tsy azo atao intsony ny mampiasa fitaovana misy merkiora eto Madagasikara, manomboka amin’ity taona 2025 ity, amin’ny sehatra rehetra.