• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Codatu
Image
Vaovao

Zotra Fitaratra : Hampandraisina anjara bebe kokoa ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fitaterana

08/07/2025 15:56 © Moov

Ao anatin’ny tetikasa Zotra Fitaratra, dia notanterahina teto Antananarivo ny dingana voalohany amin’ny fanadihadiana eny ifotony hampandraisana anjara betsaka ny vehivavy eo amin’ny fitaterana. Nanomboka ny 19 jona ka hatramin’ny 1 jolay 2025, teo izany.

Tanjona amin’izany ny hahafahana manome toerana lehibe kokoa ho an’ny vehivavy ao amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka, indrindra amin’ny sehatry ny « taxi-be » na ny fitaterana an-drenivohitra.

Fanadihadiana eny anivon’ny sehatra rehetra voakasika

Nandritra io fotoana io dia nanaovana fanadihadiana ifotony avokoa ireo mpisehatra isan-karazany. Ao anatin’izany ny kaoperativam-pitaterana, tokantrano, vehivavy miasa amin’ny fitateram-bahoaka, ary ireo sekoly mpampianatra mitondra fiara. Noraisina avokoa ny hevitry ny rehetra hahazoana fomba fijery amin’ny ankapobeny momba ny toerana omen’ny fiarahamonina ireo vehivavy mpisehatra amin’ny fitaterana. Marihina fa mbola anjakan’ny lehilahy kokoa ity sehatra iray ity, saingy efa manomboka miditra amin’izany tsikelikely kosa ny vehivavy. Hampivelarana izay toeran’ireto farany ireto ao amin’io sehatra io no anton’ity fikarohana ity.
Anisan’ny tanjona ny hahafantarana ireo sakana ara-piarahamonina sy kolontsaina, nefa koa ny hahitana ireo paikady azo atao hampidirana bebe kokoa sy maharitra an’ireo vehivavy amin’ity sehatra ity.

Fanatsarana sy fanokafana sehatra ho an’ny vehivavy

Ny vokatra azo avy amin’ity dingana ity dia andrasana hanome angon-drakitra marina momba ny toerana sy ny isan’ireo vehivavy amin’ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo. Hahafahana mamaritra paikady mazava sy azo tanterahina izany, izay hitondra amin’ny fidiran’ny vehivavy bebe kokoa amin’ity sehatra mbola zara raha idiran’izy ireo ankehitriny ity.
Mba hiantohana ny kalitaon’ny fanadihadiana, dia nisy fiofanana manokana nandritra ny roa andro sy tapany ho an’ireo mpanadihady, natao ny 16 hatramin’ny 18 jona. Marihina fa ny fikambanana Codatu no mitarika ny asa, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny Birao Karoka.

Lire la suite

Articles Similaires