• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Familiprix
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fari-peo : inona no tokony atao ?

07/07/2025 15:39 © Moov.Mg

Toe-javatra mateti-piseho, indrindra rehefa andro mangatsiaka toy izao, ny hoe fari-peo. Izany hoe lasa tsy mivoaka tsara, mihamalefaka na tankina tanteraka mihintsy ny feo. Tsy dia misy atahorana moa izy io amin’ny ankapobeny fa kosa mety manelingelina tokoa raha maharitra. Inona àry no antony mety mahatonga ny olona ho farim-peo ? Ahoana no tokony atao manoloana izany ?

Ireo antony mahatonga ny olona iray ho fari-peo

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona ho fari-peo. Anisan’izany ny :
-« Infections » na otrikaretina mahazo ny « laryngites ». Matetika izany dia avy amin’ny viriosy, indrindra eo amin’ny ankizy ;
-« Surmenage vocal ». Izany hoe rehefa ampiasana be loatra na tsy araka ny tokony ho izy ny feo, toy ny hoe mikikiaka na mihira mafy be ka lasa maratra ny « cordes vocales » ;
-« Irritants » na hoe zavatra miteraka « irritations » eo amin’ny « cordes vocales », toy ny fifohana sigara, fisotroana toaka, ny vovoka, ny loto na ny « allergies » mety mandratra ny « cordes vocales » ;
-Antony hafa izay mety mitarika fahasarotana toy ny « tumeurs », tsy fahatomombanana ao amin’ny atidoha izay mitarika « paralysie des cordes vocales ».

Ireo vahaolana na ny tokony atao raha fari-peo

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy dia tokony hisy hampanahy loatra ny fari-peo. Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy izany afaka andro vitsivitsy. Mba hahamora sy hanafaingana ny fampitoniana ny farim-peo dia ilaina ny :
-Mampaka aina ny feo. Izany hoe miezaka tsy miteny, tsy mikikiaka ;
-Misotro rano tsara mba hitazomana ny hamandoan’ireo « muqueuses » sy ny « cordes vocales » ;
-Mifady ireo « irritants », toy ny sigara, toaka, vovoka.
Raha toa ka maharitra andro maro ny fari-peo na koa hoe misy fambara hafa miaraka amin’ny toy ny fanaviana, fahasahiranana miaina, fahasahiranana misakafo, fivontosana eo amin’ny tenda na fanaintainana, dia tsara raha manantona mpitsabo. Mety hisy fanafody homen’ity farany mitsabo ny mety ho otrikaretina mahatonga ilay farim-peo.
Ankoatra izay dia misy ireo fikafika natoraly manampy hampitoniana ny farim-peo, toy ny fanaovana gararaka amin’ny rano matimaty nasiana sira, fihinanana tongolo gasy voakiky hasiny 1 nasiana tantely 1 sotro fihinanana rehefa alohan’ny hisakafo. Azo atao ihany koa ny misotro ronono 1 vera mafana nasiana tongolo gasy voakiky hasiny 1 sy tantely 1 sotro fihinanana.

Lire la suite

Articles Similaires