Miandry 30 minitra aorian’ny sakafo vao afaka milomano : marina sa diso ?
Anisan’ireo fampitandremana atao ny ankizy rehefa mandeha milomano any amin’ny dobo filomanosana na eny amin’ny ranomasina ny hoe « miandry 30 minitra fara fahakeliny aorian’ny sakafo vao afaka milomano ». Inona tokoa no anton’izany fampitandremana izany ? Tena mitombona ve izany sa finonoam-poana fotsiny ihany ?
Ny antony heverina fa tsy tokony hilomanosana avy hatrany rehefa avy misakafo
Fampitandremana nolovaina tamin’ny taranaka nifamdimby ny hoe mila miandry 30 minitra fara fahakeliny vao afaka milomano rehefa avy misakafo. Ny anton’izany dia noheverina fa mety mampandoa na tsy mampalevon-kanina ny filomanosana avy hatrany vao avy voky.
Araka ny fiheveran’ireo ray aman-drenibe taloha tokoa mantsy dia mety mahatonga « malaise » ny fidirana anaty rano mangatsiaka raha toa ka mbola tsy levona ny sakafo. Ankehitriny moa efa miorina amin’ny porofo ara-tsiantifika ny fampitandremana ara-pahasalamana rehetra ka mampanontany tena hoe mitombona ve io finoana io sa tsia ?
Ny « choc thermique » no tena meloka
Araka ny fanambaran’ny mpitsabo iray tany ivelany ( Frontignan) dia diso ny filazana fa mety mampandoa na tsy mampalevon-kanina ny filomanosana avy hatrany rehefa avy misakafo. Tsy misy « risque » ara-pahasalamana voamarina mahakasika ny filomanosana aorian’ny fisakafoanana hoy izy. Ny mety hitera-doza, hoy ihany ity mpitsabo ity, dia avy amin’ny « choc thermique ».
Izany hoe ny fiovana hafanana tampoka, toy ny hafanan’ny vatana tratry ny hatsiaka ny rano. Mety hampihena ny fidoboky ny fo, ny tosiky ny rà mankany amin’ny atidoha ary mety hampijanona tampoka ny fo izany. Tsy ny sakafo sy ny fahavokisana arak’izany no mety ho olana mivantana. Raha avy nisakafo be ka miditra anaty rano 30°C dia tsy misy atahorana. Raha toa kosa ka 18°C ny hafanan’ny rano dia mila mailo na dia tsy voky aza.
Ireo torohevitra tsotra sy mandaitra tsara fantatra
Mba hisorohana ny loza dia misy ihany ireo fepetra tsara arahana rehefa mandeha milomano. Anisan’izany ny hoe lemana tsikelikely ny vatana vao mitsofoka anaty rano : ny hatoka, ny sandry, ny tarehy sy ny tongotra. Tandremana tsara ihany koa ny hafanan’ny rano mba hisorohana ny « malaise ».
Ankoatra izay dia tandremana tsara ny fisotroana toaka raha mandeha milomano. Ny toaka dia manakorontana ny « adaptation au changement thermique » eo amin’ny vatana. Noho izany raha sady nisakafo no nisotro toaka dia mila mitandrina tsara vao mitsofoka anaty rano satria mety hitera-doza izany.
Farany, raha toa ka nihinana sakafo mavesatra na be menaka dia tsara ihany ny miandry minitra vitsy vao milomano. Misy olona sasany tokoa mantsy mety hahatsapa tsy mahazo aina, toy ny hoe mangotika ny kibo, misy krampy kely… raha mampihetsika vatana be aorian’ny sakafo.