« Insuffisance rénale » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Ny « insuffisance rénale » dia ny tsy fahavitan’ny voa manatanteraka ara-dalàna ny asany amin’ny fitatavanana sy ny fanesorana ireo loto ao anatin’ny vatana. Mety hiseho tampoka sy azo tsaboina (aigüe) nefa koa mety hihomby tsikelikely sy mety tsaboina (chronique) izy io. Andeha ho resahana misimisy eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « insuffisance rénale ».
Ireo karazana « insuffisance rénale »
Mizara roa lehibe arak’izany ny « insuffisance rénale » :
*« Insuffisance rénale aigüe (IRA) »
Mipoitra tampoka ary mety ho vokatry ny « infection grave », « hémorragie », fahatsentsenan’ny « voies urinaires » na anton-javatra hafa izay misy fiantraikany mafy eo amin’ny fiasan’ny voa ny « insuffisance rénale aigüe ». Mety afaka ahitsy (réversible) izy io raha toa ka voatsabo malaky ny antony mahatonga azy.
*« Insuffisance rénale chronique (IRC) »
Fahasimbana tsikelikely sy miadana ny fiasan’ny voa ny « insuffisance rénale chronique ». Matetika izy io dia avy amin’ny aretina toy ny diabeta, ny tosidrà avo, aretin’ny voa « héréditaires », « infections rénales chroniques »... Mety mitarika amin’ny « insuffisance rénale terminale », izay ilaina fanaovana « dialyse » na « transplantation » moa izy io.
Ireo soritr’aretin’ny « insuffisance rénale »
Tsy voatery mitovy ny fisehon’ny « insuffisance rénale » eo amin’ny tsirairay. Misy ihany nefa ireo soritr’aretina fahita sy tokony hahamailo, toy ny :
-Havizanana tsy fantatra antony ;
-« Troubles digestifs », toy ny hoe mandoa, maloiloy ;
-Fahalain-komana ;
-Hidihidy ;
-Krampy amin’ny hozatra ;
-Fivontosan’ny tongotro, kitrokely, tarehy… vokatry ny « rétention d’eau » ;
-Mora sempotra na tsy avy miaina (essoufflement) ;
-Mipipy matetika, indrindra rehefa amin’ny alina ;
-Fiovan’ny lokon’ny pipy ;
-Fanaintainana ao ambanin’ny lamosina.
Raha vantany vao mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantony mpitsabo avy hatrany mba hahazoana fandraisana an-tanana malaky. Izany dia mba hamerana ny fihomboan’ny aretina sy mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana mety aterak’izany.
Ny fomba fitsaboana ny « insuffisance rénale »
Miankina amin’ilay karazana « insuffisance rénale » ny fomba fitsaboana izany. Atomboka amin’ny fanatanterahana fitiliana sy fizahana ara-pahasalamana hahafantarana ilay karazana « insuffisance rénale » mahazo ilay marary.
-Ho an’ny « insuffisance rénale aigüe » dia mifantoka amin’ny fitsaboana ny aretina na antony nahatonga ity olan’ny voa ity. Raha ilaina dia mety ampanaovina « dialyse temporaire » ilay marary.
-Ho an’ny « insuffisance rénale chronique » dia miompana amin’ny fanaraha-maso ny tosidrà sy ny tahan’ny siramamy anaty rà. Eo ihany koa ny fampiharana « régime alimentaire » manokana, fampidirana fanafody hitsaboana ireo fahasarotana ara-pahasalamana, « dialyse », « transplantation rénale ».