Fomba fanamboarana « fluffy cake »
Mofomamy tena matsiro tokoa ny « fluffy cake ». Miavaka amin’ny patiny izay tena malefaka, maivana sy mora levona ao am-bava moa izy ity. Ny fomba fikarakarana sy ny fandrahoana azy moa no hahazoana izany « texture » miavaka izany.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « fluffy cake »
Ho an’ny fototra
-Atody 6 ;
-Ronono 80g ;
-Menaka 50g ;
-Lafarina 80g
-Sira 1 tsongo.
Ho an’ny « meringue »
-Siramamy 40g ho an’ny tamenak’atody ;
-Siramamy 40g ho an’ny tapotsin’atody.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 170°C ny lafaoro. Apetraka amin’ny faritra ambany indrindra anatin’ny lafaoro ny « grille ». Manomana « bain-marie » amin’ny fametrahana rano mafana anaty « plat » lehibe atsofoka anaty lafaoro.
Amboarina ny fototra (base). Sarahana ny tamenak’atody sy ny tapotsin’atody. Atao anaty lovia jobo iray lehibe ny tamenak’atody ary arotsaka ao ny ronono, menaka sy ny siramamy 40g. Kapohana amin’ny « fouet » mandrapahazoana fangaro mitambatra tsara. Tatavanina eo ambonin’ity farany ny lafarina ary aroharohana moramora amin’ny « maryse » na amin’ny « fouet » mba hahazoana paty malama tsara tsy misy mitambaingambaingana.
Amboarina ny « meringue ». Maka lovia jobo lehibe hafa madio sy maina tsara. Arotsaka ao ny tapotsin’atody sy ny sira 1 tsongo. Kapohana amin’ny « batteuse » amin’ny hafainganana antonony. Rehefa manomboka lasa « mousseux », alefa tsikelikely ny siramamy. Tohizana kapohana mandrapahazoana « blancs en neige » mafy sy mangirana. Tsy kapohana ela loatra manjary lasa mitambaingana.
Afangaro ny fototra sy ny « meringue ». Alaina ny 1/3 ny tapotsiny teo ary afangaro malaky ao anatin’ilay fototra mba hampalefaka azy. Avy eo arotsaka ny ambin’ilay tapotsiny ary aroharoana moramora amin’ny « maryse ». Somary aroharoana miakatra mba tsy hihintsana ilay tampotsiny. Mila mijanona « mousseux » mantsy ilay fangaro. Tsy azo aroharoana be loatra mba hitazomana ny rivotra anatin’ilay paty.
Andrahoina amin’ny « bain-marie » ny paty. Araraka moramora anatin’ny lasitra efa nasiana « papier sulfurisé ». Akapokapoka moramora eo amin’ny latabatra, indroa na intelo, ilay lasitra mba hampivoaka ireo mety ho rivotra be ao anatin’ny paty.
Apetraka eo ambonin’ilay « plat » lehibe misy rano mafana ilay lasitra ary ampidirina anaty lafaoro. Tokony maharitra eo ho eo amin’ny 50 hatramin’ny 60 minitra eo ny fahamasahan’ity mofomamy ity. Mila mibontsina tsara sy somary mahazo loko ny tampony. Rehefa masaka dia endrasana mangatsiaka tsara izay vao esorina tao anatin’ny lasitra ilay mofomamy.