• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Oopla
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ririnina : fikarakarana ny volo simba amin’ny akondro, tantely sy menaka oliva

31/07/2025 10:58 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia maro amintsika no mahatsapa fa lasa mora makiana sy vakivavy ny volo. Ny tsy fahazakana hatsiaka matetika no mahatonga izany ka rehefa tsy voakarakara sy tsy ampy sakafo ny volo dia lasa tsy voaaro ara-dalàna sy simba. Ity atoro ity ary dia fomba natoraly vita amin’ny akondro, tantely sy menaka oliva hanarenana ny volo makiana sy vakivavy vokatry ny hatsiaka.

Ireo vokatsoa entin’ny « masque » akondro, tantely sy menaka oliva ho an’ny volo

Isan’ny fangaro natoraly fikarakarana ny volo rehefa ririnina mitondra vokatsoa maro ity « masque » akondro, tantely sy menaka oliva ity. Anisan’ireo vokatsoa lehibe azo avy aminy ny :
-Fanamandinana lalina ny volo makiana sy tapatapaka. Ny akondro tokoa mantsy dia manankarena vitamina sy « potassium » ka miasa amin’ny « hydratation » ny volo ;
-Fanomezana sakafo ny volo. Ny tantely sy ny menaka oliva dia mitondra otrikaina miasa amin’ny fanomezana ny sakafo ilain’ny volo mba hahatonga azy ho salama, malefaka sy mangirana ;
-Fanarenana ny volo simba ary mampihena ireo « frisottis ».

Ny fanamboarana ity « masque » natoraly ho an’ny volo ity

Potserina amin’ny sotrorovitra ny akondro masaka tsara 1. Atao lasa malemy sy malama tsara tsy misy tambaingambaingany. Afaka potserina amin’ny « mixeur » ihany koa. Arotsaka ao ny menaka oliva 2 sotro fihinanana sy ny tantely 1 sotro fihinanana. Aroharohana hifangaro tsara. Marihana fa tsy afaka tehirizina ity « masque » natoraly ho an’ny volo ity fa mila manamboatra vaovao isaky hanao azy.

Ahoana ary ny fampiasana azy ?

Ahosotra eo amin’ny volo maina na somary nolemana kely fotsiny ny « masque » akondro, tantely sy menaka oliva namboarina teo. Ny tahon’ny volo sy ny lohany no tena atao be mihosotra tsara. Fonosina « bonnet de douche » na servieta mafana ny volo mba hihiditra tsara anatin’ny singam-bolo sy ny hodi-doha ireo singa entin’ity « masque » ity. Avela hilona mandritra ny 20 hatramin’ny 30 minitra. Kobanina tsara amin’ny rano matimaty. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo.

Fanamarihana

Raha vao sambany hampiasa ity vokatra natoraly ity dia tsara hatrany ny manandrana azy eo amin’ny faritra kely amin’ny hoditra sao sendra tsy mahazaka azy. Rehefa hita fa tsy misy olana dia mazotoa ary mampiasa ity « masque » natoraly tsy lafo vidy, mora atao nefa ahitana vokatsoa ity. Amin’ny maha fikafika natoraly azy ity moa dia mila mahavatra manao azy matetika vao mahita vokatra tsara.

Lire la suite

Articles Similaires