• Cours de change
  • 5122.9 AR
  • |
  • $4432.9 AR
Copyright Image : © Soumissions Avocat
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voakaikitry ny alika : inona no atao ?

07/08/2025 13:46 © Moov.Mg

Toe-javatra sady mampatahotra no mety mitera-doza ny voakaikitry ny alika. Raha tratr’izany dia mila fandraisana an-tanana malaky sy ara-dalàna mba hampihenana ny « risques » mety hahazoana aretina sy ny fahasarotana hafa. Araho eto ary ny tokony atao raha voakaikitry ny alika.

Fihetsika vonjy maika raha vantany voakaikitry ny alika

Tsy azo atao tsirambina ny kaikitry ny alika satria mety hahazoana aretina na hitarika fahasarotana raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Ireto manaraka ireto ary ny atao raha sendra voakaikitry ny alika :
-Diovina tsara ny ratra. Ny zavatra atao voalohany vao voakaikitry ny alika dia ny manasa tsara faritra misy ny ratra. Rano matimaty sy savony no anadiovana izany mandritra ny minitra maro. Izany dia mba hanesorana ny rora sy ny bakteria avy amin’ny vavan’ilay alika.
-« Désinfecter ». Rehefa avy nosasana ilay faritra voakikitra dia atao « désinfection » amin’ny « antiseptique » natokana ho an’ny hoditra ilay ratra. Raha tsy manana dia kobanina amin’ny rano mandeha madio tsara.
-Ajanona ny rà. Raha mandeha rà ilay ratra dia tampenana amin’ny « compresse » na amin’ny lamba madio ary tsindriana tsara.
-Arovana ilay ratra. Rehefa tsy mandeha rà intsony dia saromana amin’ny « pansement » madio ilay ratra.

Oviana no mila manantona mpitsabo na tobim-pahasalamana ?

Na dia toy ny hoe tsy « grave » be aza ilay ratra dia ilaina hatrany ny manantona malaky mpitsabo na tobim-pahasalamana raha voakaikitry ny alika, indrindra raha toa ka :
-Lalina sy lehibe ilay ratra vokatry ny kaikitry ny alika, na koa eo amin’ny faritra marefo toy ny tarehy, tenda, tanana, tongotra na vanintaolana no voakaikitra ;
-Mandeha rà be sy tsy mety mijanona ilay ratra ;
-Tsy fanta-pihaviana ilay alika nanaikitra. Izany hoe tsy fantatra raha vita vaksiny fanefitry ny haromotana sy tetanosy izy na tsia ;
-Manana toe-batana marefo, toy ny hoe beantitra, ankizy, bevohoka na malemy ny hery fiarovana ;
-Mahatsikaritra soritr’aretina manambara « infection », toy ny hoe mivaramena ny hoditra manodidina ilay ratra, mafana, mivonto, manaintaina be, misy nana… Mety miseho ora maro na andro maro aorian’ilay fotoana nahavoakaikitry ny alika ireo fambara ireo.

Lire la suite

Articles Similaires