• Cours de change
  • 5126.68 AR
  • |
  • $4436.06 AR
Copyright Image : © L'Adn Business
Image
Fahasalamana&Sakafo

Toetra : ‘ndeha ho fantarina ny mikasika ny olona « introvertis »

08/08/2025 11:22 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona manana toetra « interoverti ». Izy ireny dia mila mitokatokana sy mangingiana mba hahafahany mieritreritra sy manovo hery. Toetra iray voatsara ho ratsy izany matetika eny amin’ny fiarahamonina satria heverina fa havonavona, tsy tia mifandray aman’olona... Marihana nefa fa misy mahatsara azy ny toetra « introvertis ». ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona no atao hoe olona « introverti » ?

Ny teny hoe « introversion » dia manambara ny fitondran-tena manoloana ny hafa sy ny tena. Ny olona manana io fitondran-tena io no atao hoe « introverti ». Ny « extraversion » no mifanohitra amin’izany.
Arak’ireo manampahaizana amin’ny psykolojia, ny olona « introverti » dia tia maka ny heriny (énergie) avy ao amin’ny tenany sy ny tontolony anatiny. Izany hoe avy amin’ny fieritreretany, ny toe-pony sy ny heviny. Ny olona « extraverti » kosa dia maka ny heriny avy amin’ny tontolo ivelany, amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny hafa sy ny fanaovana « activités » miaraka amin’izy ireny.

Ahoana ary ny toetra « introverti » ?

Ny olona « introverti » dia « discrète » na hoe tsy dia tia misehoseho. Izany hoe mila mangingina sy fotoana hitokanany monina izy mba hahafahany manovo ny herin-tsainy sy herim-batany. Noho izany dia manana toetra maro samihafa izy. Tiany kokoa ny mihaino noho ny miteny. Aleony miresaka zavatra lalina toy izay lohahevitra tsy misy dikany. Mieritreritra be izy ireny ary tia mandinika.
Na izany aza nefa dia tsy midika fa olona sarokenatra ny « introverti ». Ny olona sarokenatra dia mitaintaina rehefa mifandray amin’ny hafa na rehefa eo imason’olona maro. Ny « introverti » kosa dia tsy mahatsapa izany fitaintainana izany manoloana ny olona maro. Tsy dia mandray fitenenana nefa izy raha tsy tena ilaina izany.

Inona no lafy tsaran’ny toetra « introverti » ?

Misy mahatsara azy maro ny toetra « introverti » noho izy mila fitokatokanana sy manana fomba fisainana hafa. Anisan’ny lafy tsaran’izy io ny hoe :
-Mahay mihaino ny hafa ;
-Mahay mandinika sy mieritreritra ka mahatonga azy hanana toetra tony sy tsy mora entim-po ;
-Mahaleo tena.

Lire la suite

Articles Similaires