Zaza mitomany anatin’ny torimasony : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Tranga mety miseho ny hoe matory tsara ny zazakely ary tampotampoka eo izy dia mitomany nefa tsy taitra amin’ny torimasony. Mety hampitaintaina ny ray aman-dreny ny mahita izany ary mety tsy ho hainy ny hampitony ny zaza. Andeha ary ho fantarina eto ny antony mety mampitomany ny zaza anatin’ny torimasony sy ny tokony atao manoloana izany.
Ireo antony mety mahatonga ny zazakely mitomany anatin’ny torimasony
Maro ireo antony mety mahatonga ny zazakely hitomany anatin’ny torimasony. Izany hoe tsy mifoha izy nefa mitomany. Anisan’ireo mety ho anton’izany ny :
« Terreurs nocturnes » izay fikorontanan’ny torimaso miseho eo amin’ny faha 18 volan’ny zaza hatramin’ny faha 5 na 6 taonany. Eo amin’ny fiantombohan’ny « cycle du sommeil », mandritra ny torimaso lalina izany no miseho. Raha izany no mitranga dia tsy migogogo fa mitomany ary mety mihikiaka. Mety hikofokofoka hanohitra sy ho tsemboka be ihany koa izy.
Nofy ratsy izay mety mahakasika ny zaza manomboka ny faha 12 volany. Matetika dia eo amin’ny tapany faharoan’ny torimaso, eo amin’ny 2ora30 na 3 ora maraina, izany no mitranga.
Efa akaiky hifoha ilay zaza. Maro ireo antony samihafa mety hampitomany azy rehefa izy akaiky ho taitra iny. Mety hoe misy zavatra mampanaintaina azy toy ny hoe misy masaka ny vodiny, misy nify maniry, misy rivotra ny kibony… Mety ihany koa izy tsy mahazo aina fa mando na maloto ny tatiny na koa hoe noana izy.
Inona no atao manoloana ny zaza mitomany anatin’ny torimasony ?
Mety hanelingelina na hanapaka ny torimason’ny zaza ary mety hampatahotra azy io fitomaniana anatin’ny torimaso io. Mila ampitoniana izy arak’izany. Raha manao « terreurs nocturnes » ny zaza dia tsy tokony fohazina. Ny tokony atao dia ny miresaka aminy moramora sy mamihina azy mba hampitony azy. Mbola afaka maheno tokoa izy mantsy rehefa matory. Mila ambesana izy sao maratra mandra-pitony azy.
Raha tsy « terreurs nocturnes » no mahazo azy dia mila jerena sao sendra mando na maloto ny tatiny. Raha izany no mitranga dia soloina moramora izy. Raha mbola anatin’ny alina no miseho izany dia ezahana averina ampatoriana izy satria mety tsy ho ampy ny torimasony.
Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana be loatra ny fitomanian’ny zaza ao anatin’ny torimasony. Mila mailo sy manantona mpitsabo kosa raha toa izy ka mitomany matetika rehefa matory amin’ny alina nefa tsy fantatra mazava ny mety ho anton’izany. Raha mora taitra izy na tapa-tory lava dia mila entina mizaha fahasalamana satria mety ho fambarana « troubles du sommeil » izany.