• Cours de change
  • 5137.5 AR
  • |
  • $4435.77 AR
Copyright Image : © Les Infos De Luniversité Dantananarivo
Image
Vaovao

Résultat Bac 2025 : Asaina ireo mpiadina tsy ho sodokan'ny "mpivarotra mention"

13/08/2025 10:04 © Moov

Herinandro eo ho eo sisa dia hivoaka ny Résultat Bac 2025 manerana an'i Madagasikara. Nalaza tato ho ato ny fivarotana "mention" ho an'ireo te hahazo izany.

Tsy lany hevitra ireo mpisoloky mikendry ireo "mora ambakaina". Koa satria zava-dehibe tokoa ny diplaoman'ny Bakalorea, misy indray ireo milaza mahavita ho mahavita manova sy mampakatra naoty, mba hahazoan'ireo mpiadina "mention" ankoatra ny "passable".

Fikarohana ireo mpanakorontana

Fanakorontanana amin'ny fivoahan'ny valim-panadinana fotsiny ny filazàna fa misy olona afaka manova naoty, araka ny fanamarihan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Ireo mpiadina mahafantatra fa ho afa-panadinana saingy tsy hahatratra ny "moyenne 12/20", nefa te hiditra amina sampam-pampianarana mila naoty tsara na hangataka vatsim-pianarana any ivelany, no tena kendren'ireo olon-dratsy.
2 hetsy hatramin'ny 2 tapitrisa ny vidin'ny "mention", ka 2 hetsy ariary ny "mention assez-bien", 1 tapitrisa ariary ny "mention bien" ary 2 tapitrisa ariary ny "mention très bien". Henatra ho an'ny sehatry ny fampianarana sy fikarohana eto Madagasikara izany tranga izany, satria matoa misy ny "mpivarotra" dia misy ny "mpividy". Entanina araka izany ireo mpiadina bakalorea, sy ireo mpanao fanadinam-panjakana rehetra, mba tsy ho zatra kolikoly fa hahay hanaiky izay tena vokatry ny fahalalana marina.
Etsy ankilany, efa mandeha ny fikarohana ireo tompona "compte" milaza ho mahay mampakatra naoty ireo. Nanambara mazava ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa misy "Caméra de surveillance" ireo efitra fitsarana sy fikirakirana taratasim-panadinana, ka tsy misy mpitsara fanadinana na mpirakitra naoty hahavita hanova naotina mpiadina.

Famoahana ny voka-panadinana

Tsiahivina hatrany fa ny 20 na 21 aogositra no daty voatondro hamoahana ny Résultat Bac 2025, ho an'ny Oniversiten'Antananarivo manokana. Samy manana ny fandaminany kosa ny Oniversite isaky ny renovohi-paritany tsirairay. Rehefa misy ny antso atao amin'ireo mpitsara fanadinana hanao "délibération", efa antomotra izay ny famoahana ny valim-panadinana BAC 2025. Ho azo jerena amin'ny SMS ny vokatra, amin'ny laharana 601 (tambazotra rehetra).

Lire la suite

Articles Similaires