Ady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza : Azo atao vaksiny ny zazavavy 9 hatramin'ny 14 taona
Hanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza ny eto Madagasikara ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao. Ireo tovovavikely 9 hatramin'ny 14 taona no voakasik’izany.
Fisorohana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza
Raha tsiahivina, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra izay notontosaina ny 28 aogositra 2024 no nankatoavana ny fampidirana ny vaksiny « anti-HPV » hiadiana amin'ny homamiadan'ny vozon-tranon-jaza, ho an'ireo ankizivavy 9 hatramin’ny 14 taona manerana an’i Madagasikara. Voalaza, tao anatin’ny tatitr’izany filàn-kevitry ny minisitra izany, fa ny homamiadan'ny vozon-tranon-jaza no homamiadana faharoa voatily betsaka indrindra eny amin'ireo hopitaly eto Madagasikara, aorian'ny homamiadan'ny nono. Tanjona, araka izany, ny hiarovana ireo zazavavy malagasy amin'ity areti-mandoza ity.
Ny HPV (Human Papillomavirus), izay mitarika ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, dia karazana virosy fahita mahazatra, izay miparitaka indrindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana eo amin’ny hoditra sy ny hodi-mando (mucose), ka matetika dia mifindra amin’ny firaisana ara-nofo izany. Noho izany indrindra no antony hanaovana vaksiny izao zazavavy 9 hatramin'ny 14 taona, izay mbola tsy nanao firaisana ara-nofo mihitsy. Manampy amin’ny fisorohana ny fahazoana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza ny fanaovana izany.
Hetsika fanaovam-baksiny
Araka izany, aretina misoko mangina ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, saingy azo sorohina tsara amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny. Mbola misy anefa ireo ray aman-dreny miahotra, ka tsy marisika hampanao vaksiny ny zanany. Manjaka rahateo ny honohono, toy ny hoe : maha-momba ity vaksiny « anti-HPV » ity, ka mampihemotra ny olona sasany. Efa misy ihany ny fanentanana ataon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo rantsa-mangaikany, mba hampahafantarana ny mponina ny mombamomba ity vaksiny ity.
Ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra 2025 no hotanterahina ny hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, manerana ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) rehetra manerana ny Nosy.