• Cours de change
  • 5137.5 AR
  • |
  • $4435.77 AR
Copyright Image : © Linfo.Re
Image
Vaovao

Résultats BAC 2025 : Azo jerena an'habaka ny valim-panadinana

13/08/2025 19:32 © Moov

Ny Résultats BAC 2025 Fianarantsoa no andrasana voalohany, noho ny "Délibération" efa tontosa omaly talata 12 aogositra 2025.

Efa mitaintaina fatratra ireo mpanala Bac 2025. Ho an'i Fianarantsoa manokana, efa hatry ny omaly hariva ireo mpiadina no niandry ny valim-panadinana. Amin'izao takarivan'ny alarobia 23 aogositra no andrasana fatratra izany.

Résultats BAC 2025 "en ligne"

Koa satria efa saika mampiasa "internet" avokoa ireo tanora nanala fanadinana, azo atao tsara ny manararoatra izany hahazoana ny Résultats BAC 2025 farak'izay haingana. Tsy ny tranokalan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony nefa no hisy ny voka-panadinana. Samy manana ny tranokalany (site web) ireo Oniversite isaky ny renivohi-paritany.
Ireto àry ny adiresy azo tsidihana rehefa mivaly ny Bac 2025 :
-Antananarivo: bacc.univ-antananarivo.mg
-Fianarantsoa: bacc.univ-fianarantsoa.mg
-Toamasina: bacc.univ-toamasina.mg
-Mahajanga: bacc.univ-mahajanga.edu.mg
-Antsiranana: https://univants.mg/office-bacc.php
Amin'ny ankapobeny, mila mampiditra anarana feno sy/na laharana tamin'ny fanadinana ny mpiadina.

Résultats BAC 2025 "SMS"

Rehefa azo antoka tsara fa mivoaka ny valin'ny Bakalorea eo anivon'ny faritra niadinana, vahaolana haingana sy mahomby ny fampiasana finday. Alefa SMS amin'ny laharana 601 ny laharana niadinana, na inona na inona tambazotra ampiasaina.
Araka izany, tsy voatery hiandry peta-drindrina intsony vao mahita valim-panadinana.

Lire la suite

Articles Similaires