Résultat Bac 2025 Antananarivo : Efa madiva hivaly ny fanadinana
Manamafy ny Oniversiten'Ambohitsaina fa ny 20 na ny 21 aogositra no hivoaka ny Résultat Bac 2025 Antananarivo, araka ny efa nampahafantarin'izy ireo.
Namoaka fanambarana mikasika ny fanadinana Bakalorea 2025 ny Oniversiten'Antananarivo omaly alatsinainy 18 aogositra. Nambaran'ireo tompon'andraikitra tamin'izany fa voahajan'izy ireo tsara ny kalandrie efa napetraka ny amin'ny "délibération" sy ny famoahana ny valim-panadinana. Mazava ho azy, hahalala ny vokatry ny ezaka nataony avokoa ireo mpiadina amin'ity herinandro ity : ny 20 na ny 21 aogositra mantsy no hivoaka ny "Résultat Bac 2025 Antananarivo".
Vokatra ofisialy
Manentana ny rehetra ny Oniversiten'Antananarivo mba ho mailo amin'ny fijerena ny valim-panadinana. Efa misy mantsy ny fandaminana manokana, ka tsy tokony hierikerika etsy sy eroa ireo mpanala fanadinana. Efa nahazo alalana hamoaka ny Résultat Bac 2025 Antananarivo ireo tambazotram-pifandraisana telo eto Madagasikara, ka azo atao tsara ny mandefa ny "numéro matricule" amin'ny alalan'ny SMS, amin'ny nomerao 601. Mbola azo atao ihany koa, tahaka ny mahazatra, ny mijery peta-drindrina eny anivon'ireo Centre d'examen.
Vokatra any amin'ny faritra hafa
Raha tsiahivina, ny Oniversiten'i Fianarantsoa no namoaka ny voka-panadinana Bakalorea 2025 voalohany. Ny alin'ny 13 aogositra no nisitraka ny valim-panadinana ireo mpiadina. 57,98% ny taham-pahafahana, ka 57,42% ho an'ny Fampianarana Ankapobeny ary 72,18% ho an'ny Fampianarana Teknika.
Efa namoaka ny valim-panadinana ihany koa ny Oniversiten'Antsiranana, ka 41,80% ny taham-pahafahana. Efa miandry vokatra kosa na ny ao Mahajanga na ny ao Toliara satria androany talata 19 aogositra ny "Délibération".