Fahasalamana : Fitaovam-pitaterana maherin’ny 1 400 isa ho an’ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy fitaovam-pitaterana miisa 1 486, ho an’ny Tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNICEF miaraka amin’ny Alliance GAVI. Noraisin’ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, androany teny amin’ny CCI Ivato izany.
Fahasalamana ho an’ny Malagasy rehetra
Mbola mila ezaka betsaka ny lafiny fahasalamana eto Madagasikara, indrindra ho an’ireo malagasy any amin’ny toerana alavitra sy saro-dalana. Samy nahatsapa izany avokoa ireo mpamatsy vola, nandray fitenena toy ny solon-tena avy ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara. Izany indrindra no antony handraisan’izy ireo anjara amin’ny fampitaovana ny hopitaly sy ireo toeram-pitsaboana rehetra eto Madagasikara ireo. Ahitana moto miisa 1424, izay miisa 795 avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ary miisa 629 avy amin’ny Alliance GAVI sy UNICEF, ny fanomezana. Natao indrindra hamonjena ireo toerana alavitra sy saro-dalana ny fisin’ireto moto ireto. Ilaina ihany koa hanaraha-maso ny lafiny fahasalamana, rehetra.
Etsy ankilany dia nanolotra fiara vonjy taitra miisa 18 ho an’ireo Distrika mbola tsy manana izany, ihany koa izy ireo. Manampy izany ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 13, natao hitondrana marary sy fanafody.
Hanatrarana ny vaksiny ho an’ny zaza rehetra
Mbola himasoana eto Madagasikara ihany koa ny fanaovana vaksiny ho an’ny zaza rehetra. Raha tsiahivina dia nambara tamin’ny fomba ofisialy ny volana may teo fa tapitra ny tanteraka ny aretina lefakozatra, vokatry ny fanapariahana ny vaksiny manerana ny Nosy. Mbola betsaka anefa ny ezaka mila tratrarina. Isan’ny tanjona ho an’ity taona 2025 ity, ohatra, ny hanatratra hatramin’ny 90% ny tahan’ny fanomezana vakisiny DTCoq, raha 86% izany amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavan’ny Filoham-pirenena. Izany rehetra izany no anton’ireo fitaovana ahitana vata fampangatsiahana, maro natolotra androany. Tao anatin’izany ny fiarabe miisa 4, misy ireo vata fitehirizana vakisiny ireo. Manampy izany ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana misy vata fampangatsiahana miisa 29.
Etsy ankilany dia mbola manampy izany ihany koa ireo fitaovana hitehirizana vaksiny samihafa, toy ny « refrigérateur solaire » miisa 316. Nanamarika moa ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateniny fa mbola hananganana « chambre froide » avokoa ireo faritra mbola tsy manana izany, hahafahana mitahiry ny vakisiny. Amin’ny alalan’ireto fitaovana rehetra ireto, hoy hatrany ny Filoha : « Tsy ny marary intsony no manatona ny toeram-pitsaboana fa ny mpitsabo indray no midina an-tsehatra ».