Fambolena : Afaka ampiarahina ny voly vary safiotra sy ny voly vary maro anaka
Hampifamenoana ny voly vary safiotra sy ny voly vary maro anaka, hahafahana mampitombo ny vokatra azo. Nivoitra izany nandritra ny fihonan’ny Fikambanamben’ireo mpisehatra amin’ny voly vary maro anaka eto Madagasikara sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa, omaly.
Fahavitan-tena ara-bary
Fototsakafon’ny Malagasy ny vary, araka izany, filàna tsy azo ihodivirana isan’andro izy io. Tanjona amin’izao fotoana izao ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-bary ; izany hoe tsy hanafatra vary intsony i Madagasikara. Samy manana andraikitra amin’izany avokoa na ny Fitondrana foibe na ny mpamboly sy mpamokatra eny ifotony. Izany indrindra no anton’ny fihaonan’ny roa tonta, omaly.
Nanolotra sosokevitra ireo avy ao amin’ny fikambanana, ny hampiarahana ny voly vary safiotra sy ny voly vary maro anaka. Nanamafy izy ireo fa ireo teknika roa ireo dia samy manan-danja ary mifameno. Ny vary safiotra ohatra dia efa voaporofo fa manome vokatra avo, izay mety hahatratra hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara, arakaraka ny toetr’andro sy ny toe-tany. Etsy ankilany kosa ny vary maro anaka dia ahitana vokatra nihoatra ny 8 taonina isaky ny hektara, izay hita tamin'ny faritra enina eto amin’ny Nosy.
Fifaninana ara-pamokarana
Miainga amin’ny fahafahan’ny mpamboly sy ny toe-tany ihany anefa no hahafahana mampiaraka ireo fomba fambolena roa ireo. Misy ihany koa ny teknika hahafahana manamafy ny tany ka afaka mandray ireo karazana fambolena ireo. Hanentanana ny rehetra ho liana amin’ireo dia nanamafy ihany koa ireto fikambanana ireto ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fifaninanana ara-pamokarana ho an’ny tantsaha. Izany dia ho fomba hanentanana sy hampitomboana hatrany ny vokatra. Amin’izao fotoana izao moa dia efa misy ny toerana efa manatanteraka izany, na amin’ny voly vary safiotra na voly vary maro anaka ; izay tokony haparitaka manerana ny Nosy.
Raha tsiahivina, ny teknikam-pamokarana SRI (Système de Riziculture Intensive) izay mampiasa ny vary maro anaka dia teraka teto Madagasikara tamin’ny taona 1983. Efa miparitaka any amin’ny firenena afrikanina 25 sy firenena 60 maneran-tany, izany, ka hanamarihan’ireo mpikambana ny tokony hitohizany eto Madagasikara, hatrany.