Vatican : Môtô misy sonian’ny Papa Léon XIV, hamidy, hanorenana sekoly eto Madagasikara
Nandray fikambanana mpitondra môtô antsoina hoe : « Jesus bikers », ny Papa Léon XIV, omaly 3 septambra 2025, teo amin’ny kianjan’i Masindahy Piera ao Vatican. Nitondra môtô, marika BMW iray izy ireo, izay nametrahan’ny Ray Masina ny soniany.
Famatsiam-bola ho fanohanana ireo olona sahirana
Niorina tany Schaafheim, tanàna iray any Alemaina, tany amin’ny 11 taona lasa, ny fikambanana « Jesus bikers ». Tahaka ireo vondrona mpitondra kodiaran-droa lehibe fahita maneran-tany ihany no fijery an’ireo mpikambana, ety ivelany : bebe volombava, lava volo ny sasany, manao « blouson » vita amin’ny hoditra miloko mainty, manao pataloha « jean » rovidrovitra… Saingy ny mampiavaka azy ireo dia ahitana mariky ny finoana katôlika, toy ny hazofijaliana, eny amin’izy ireo. Ny an’ny sasany iravahana, eny am-bozonana, ohatra ; fa ny an’ny hafa kosa, dia amin’ny endrika tombokavatsa, toy izay hita eny amin’ny sandry.
Isan’ny asa tanterahin’ity fikambanana ity ny mitady famatsiam-bola ho fanohanana ireo olona sahirana sy marefo maneran-tany. Mahavita mandeha an-kilaometatra maro izy ireo, mandeha môto, mikaroka olona na fikambanana afaka manolotra fanampiana, hanatanterahana izany asa fanasoavana izany.
Hanangana sekoly any Ihosy
Ho an’ny omaly dia nitondra môtô iray tsara tarehy, mitondra ny marika BMW izy ireo, mba hametrahan’ny Papa Léon XIV rango-tsiaro (autographe) sy homeny tsodrano. Araka ny fanazavan’i Thomas Draxler, mpanangana ity fikambanana mpitondra môtô ity, dia homena ny fikambanana mpanao asa soa, Missio Autriche, ilay kodiaran-droa, mba hatao lavanty, ka ny sampan’ny orinasa Sotheby's, any Munich Allemagne, no hiandraikitra izany. Ny Sotheby's moa dia fanta-daza maneran-tany amin’ny fanaovana lavanty ireo entana sarobidy, efa hatramin’ny taona 1744.
Ny vola azo amin’ny famarotana ity môtô BMW ity dia hatolotra manontolo mba ho famatsiana ny fananganana sekoly iray any amin’ny diôsezin’Ihosy, Distrikan’Ihorombe. Tanjona, hoy i Karl Wallner, tale jeneralin’ny Missio Autriche, ny hamerenana indray ny fahamendrehan’ireo ankizy, izay raha tokony hianatra hamaky teny sy hanoratra, dia lasa ampiasaina amin’ny fitrandrahana elodrano, na any amin’ny sehatr’asa hafa mampidi-doza.