Faritra Atsinanana : Miisa 260 ireo tetikasa voarakitra ao anatin’ny drafitra Fampandrosoana 2025 -2030
Notanterahina androany, tao amin’ny Carlton Anosy, ny atrikasa nanolorana ny drafitra fampandrosoana ny faritra Atsinanana (Plan régional de développement) ho an’ny taona 2025 -2030. Tanjon’ity PRD ity ny hampivoarana amin’ny lafiny rehetra ny faritra Atsinanana manontolo. Araka izany, izy io no atao ho fenitra arahina hanatanterahana ireo asa fampandrosoana rehetra.
Nandray anjara tamin’izany ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra Atsinanana hatramin'izay, indrindra fa ny Coopération décentralisée Faritra Normandie Atsinanana sy ireo Agences Onusiennes miasa sy monina eto Madagasikara toy ny PNUD, UNICEF, PAM, FAO, FNUAP.
Laharam-pahamehana ny fanodinana ny vokatra
Miisa 260 ireo tetikasa izay vinavinaina ho tanterahina ao anatin’ny faritra, hahafahana mampivoatra azy, raha ny fanazavan’ny Governora mpisolo toerana, Andry Rakotovao. Voarakitra ao anatin’ny fandaharan’asa 48 izany. Isan’ny ho laharam-pahamehana kosa anefa ny fanodinana ny vokatra. Himasoana kokoa araka izany any amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana. Ny faritra Atsinanana rahateo izay manan-karena voly fanondrana ary hahafahana mamokatra betsaka amin’izany ny toe-tany ao an-toerana. Araka izany, hatao izay hisian’ny amibm-bokatra mba hahafahana mamadika izany. « Izany dia hampitombo ny vola miditra amin’ny olona tsirairay ary hanampy ny fianakaviana mba hampivoarany ny fiainany », hoy hatrany ny Governora mpisolo toerana. Isan’ny voalohany amin’ny fanondranana rahateo i Toamasina ka hamafisina izany amin’ny alalan’ny fanodinana ny « litchis », ny vanila sy ny jirofo. Tanjona lehibe indrindra ao anatin’izany dia hampihena ho eo ho eo amin’ny 60% ny tahan’ny olona mahantra ao anatin’ny faritra, hatramin’ny 2030, raha 67% izany amin’izao fotoana izao.
« Mandroso miaraka ho an’ny taranaka »
Ny distrika rehetra, miisa 7 ao anatin’ny faritra no hanatanterahana ireo tetikasa rehetra ireo. Ao anatin’izany avokoa ny distrika Toamasina I, Toamasina II, Vohibinany, Vatomandry, Mahanoro, Marolambo, ary Antanambao Manampotsy. Eo anatrehan’izany dia ny fiaraha-mientana no paikady entina manatanteraka azy. Nampifanarahana indrindra amin’ny teny filamatry ny faritra hoe « Mandroso miaraka ho an’ny taranaka ». Araka izany, samy handray anjara amin’ny asa rehetra ny olona eny ifotony, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka. Marihina moa fa hatramin’ny famolavoalana ny PRD dia efa nandray anjara hatrany ireo mpisehatra marolafy tao anatin’ny distrika miisa 7. Hatramin’ny famatsiam-bola dia samy hanana ny fandraisany anjara avokoa ny rehetra. Ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny faritra Atsinanana avokoa no anton’izany rehetra izany.