Torohevitra hanalana ny volon-tsaka na volon’alika eo amin’ny lamba
Isan’ireo zavatra manahirana sy mahasorena amin’ny fiompiana saka na alika ny fihintsanan’ny volon’izy ireny eny rehetra eny : akanjo, seza lava, lamban-pandriana… Mandany fotoana ary mety ho sarotra tokoa ny manala ny volon’ireny biby fiompy ireny, indrindra rehefa miraikitra amin’ny lamba. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra mandaitra hanalana ny volon-tsaka na volon’alika eo amin’ny lamba.
Mampiasa « gants en caoutchouc »
Fitaovana fampiasa rehefa manao zaridaina, manasa vilia… ny « gants en caoutchouc ». Azo ampiasaina hanalana ny volon-tsaka na volon’alika miraikitra eo amin’ny lamba ihany koa izy ireny. Tsotra ny atao, anaovana ny « gants en caoutchouc » ary io no hamafana ny lamba ka dia hanaraka ho azy ireo volom-biby. Tsara kokoa raha matevina tsara ilay « caoutchouc » mba hahazoana vokatra tsara.
Kosehana amin’ny « éponge » mando
Mitovitovy amin’ny fiasan’ny « gants en caoutchouc » ihany ny fiasan’ny « éponge » mando ho fanalana ny volon-tsaka na volon’alika miraikitra amin’ny lamba. Manangona ireo volom-biby ho lasa mora alaina ny fikosohana ilay lamba amin’ity « éponge » lena ity. Azo soloina « gant de toilette » ihany koa moa ity farany raha tsy misy. Mila mitandrina kosa nefa satria rehefa mando ireo volom-biby ireo dia mety hiraikidraikitra eny rehetra eny. Tsara raha hidiana anaty « sachet » iray vao hariana.
Esorina amin’ny « collants » na bà kiraro vita amin’ny « nylon »
Tena mandaitra amin’ny fanesorana ny volon-tsaka na ny volon’alika mipetaka amin’ny akanjo na ny lamba ny « collants » sy ny bà kiraro vita amin’ny « nylon ». Manintona ireo volom-biby ireo ny « nylon » ka izy io no ampiasaina hikosehana ireo lamba mba hanalana ireo volon-tsaka na alika miraikitra eo aminy. Tsy tokony ariana intsony arak’izany ny « collants » misy mitriatra raha toa ka miompy saka na alika.
Borosiana matetika ny volon’ny saka na ny alika ompiana ao an-trano
Samy mihintsana avokoa ny volon’ireo biby fiompy ao an-trano, ka anisan’izany ny saka sy ny alika. Raha mahatsikaritra fa feno volon’izy ireny matetika ny akanjo na ny lamba samihafa ao an-trano dia tsara raha borosiana matetika ny volon’izy ireny. Izany dia mba hisorohana ireto farany tsy hihintsana sy hiparitaka eny rehetra eny. Ankoatra izay moa dia manampy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ireo biby fiompy ao an-trano ireo ny fanaovana izany satria manatsara ny fikorian’ny rà ao amin’ny vatany.