Angovo madio : Miditra ao anatin’ny fandaharan’asa Ascent Green i Madagasikara
Hamafisin’i Madagasikara ny fahavononany hiditra amin’ny fampiasana angovo madio amin’ny alalan’ny fidirana amin’ny Fandaharan’asa Ascent Green. Notontosaina omaly, tao amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa momba io fandaharan’asa io. Tanjon’izy io moa dia ny hanatsara sy hanamafy ny fampiasana ny angovo madio eto Afrika.
Angovo madio amin’ny fahandroana sakafo
Tanjon’ity fandaharan’asa ity ny hanatsara ny famokarana sy famatsiana herinaratra amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny angovo madio, ho fiahiana ny tontolo iainana sy ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro. Ireo asa ireo izay isan’ny laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ka antony handraisany anjara ao anatiny. Zava-dehibe amin'ny fidiran'ny Madagasikara ao anatin'ny Ascent Green ny fampiakarana ny tahan'ny fampiasana ny angovo madio amin'ny fahandroana sakafo (cuisson propre), ho 50% raha mbola 14% izany ankehitriny. Izany koa dia mifanindran-dalana amin'ny politikam-panjakana amin'ny angovo, dia ny fampitomboana ho 80% ny tahan'ny fisitrahana herinaratra hatramin'ny 2030. Tarigetra rahateo ny fanomezana angovo maharitra, madio, maoderina, ary amin'ny vidiny takatry ny besinimaro. Ho mora kokoa mantsy ny vidin’ny angovo noho izy ireto azo avy amin’ny tontolo iainana sy natao hiarovana azy.
Firenena Afrikanina maherin’ny 20
Tanjona ny hampisitraka herinaratra olona miisa 300 tapitrisa hatramin’ny taona 2030 manerana an’i Afrika, izay tetikasan’ny Banky Iraisam-pirenena. Mandray anjara amin’izany ihany koa ity fandaharan’asa ity. Ankoatra an’i Madagasikara dia firenena Afrikanina mihoatra ny 20 no mivondrona ao anatin'ity Fandaharan'asa ity, izay tohanan'ny "Green Climate Fund" (GCF) sy ny Banky Iraisam-pirenena (BanqueMmondiale).
Ao anatin’izany dia vola mitentina 250 tapitrisa dolara no natokan'ny GCF ho an'ny Ascent Green, mba hampisy famatsiam-bola hatramin'ny 2,25 miliara dolara avy amin'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Io no hampisitraka angovo madio vahoaka miisa 40 tapitrisa eto Afrika Afovoany sy Atsinanana, ka anisan'izany isika eto Madagasikara. Miara-misalahy amin'ny fanatontonsana ny asa kosa ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) sy ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD).
Ankoatra ny fanatanterahana ny Vina M300 kosa anefa dia hilofosana ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).