Fiofanana : Tanora 930 vonona hiasa amin’ny sehatry ny lamba sy ny fitafiana ary ny lamaody
Notontosaina androany 18 septambra ny fizarana ny taratasy fanamarihana fahavitana fiofanana ho an’ny tanora miisa 930, tao amin’ny SESAME Ambatoroka. Niofana mikasika ny lamba, ny akanjo sy ny lamaody manodidina izany (THA), izy ireo. Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa (METFP) sy ny SOCOTA, izay vatsian’ny FMFP vola.
Fiofanana mamaly ny tinady
Mbola tsy manana oniversite manokana manofana mikasika ity THA ity i Madagasikara, kanefa isan’ny filàna lehibe eto Madagasikara ny fitafiana sy ny manodidina izany. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisitera sy ity sehatra tsy miankina (SOCOTA) ity. Ny tanjon’ny fampiofanana rahateo dia ny hanamafisana io sehatra io, sy hanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny tinady eny an-tsena.
Mizara roa mazava tsara ireo notolorana ny taratasy fanamarinana. Anisan’ireo nahazo izany ireo tanora miisa 230 avy amin’ny andiany voalohany izay nandray fiofanana avy amin’ny Academy of Design and Innovation. Nanampy azy ireo koa ireo tanora miisa 700 vao hiditra amin’ny tontolon’ny asa, izay nampiofanina manokana mba hahazo fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny mpampiasa. Araka izany, vonona ireto tanora ireto, haneho ny talentany hampivoatra ity sehatra ity, ka hampivelatra izany manerana ny Nosy, sy izao tontolo izao.
Hisy « référentiels métiers » vaovao
Noho izay tsy fisian’ny oniversite manokana manofana amin’ny sehatra THA izay, dia namolavola « référentiels métiers » miisa 10 ny ministera sy ny mpiara-miombon’antoka. Tafiditra ao anatin’izany ny « technicien de production », « patronnier gradeur », « merchandiser », « teinturier », « chimiste textile », ary « designer ». Ireo rehetra ireo izay ilaina hahafahana mampivoatra hatrany ny sehatra hiasan’ireo tanora.
“Natao ity fiofanana ity mba hanomezana fitaovana sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahan’izy ireo mifaninana amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Izany dia anisan’ny paikady hanampiana ny toekarena sy hampiroboroboana asa maharitra eto Madagasikara,” hoy ny Minisitry ny METFP nandritra ny lahateniny.