Fitsaboana : Zaza miisa 7 misitraka fandidiana fo misokatra sy fo mihidy ao amin’ny CENHOSOA
Efa andiany fahadimy amin’izao ny hetsika fandidiana fo misokatra na ny "Mission d'opération à coeur ouvert 5" sy ny fandidiana fo mihidy na ny "opération à coeur fermé" ao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA). Nanomboka ny alatsinainy teo izany hatramin’ny sabotsy ho avy izao, ary ankizy miisa 7 no hisitraka izany.
Zaza 10 volana
Natao indrindra hitsaboana izay mety ho tsy fahatomombanana ao amin’ny fo no anton’ity fandidiana ity. Marihina fa ny taona 2024 no nanomboka nisy teto Madagasikara izany fandidiana fo misokatra izany. Afaka raisina an-tanana avokoa ny olon-drehetra. Tamin’ity andiany fahadimy ity dia zaza 10 volana no kely indrindra tamin’ireo fito raisina an-tanana ary 25 taona kosa no zokiny indrindra.
Amin’ireo fito ireo dia miisa dimy no hiatrika fandidiana fo misokatra ary ny roa kosa fandidiana fo mihidy. Ny dimy amin'izy ireo ihany koa no efa tontosa soamantsara ny fandidiana sady efa manaraka fitsaboana mandrapaha-sitrana tanteraka azy ireo ary misy kosa ireo mbola vao hiatrika izany. Nomarihin’ny avy ao amin’ny CENHOSOA fa miavaka ity hetsika andiany fahadimy ity satria sambany no hisy ny fandidiana ny atao hoe "valve mitrale" mandritra izany, izay kasaina ho tanterahina rahampitso alakamisy 25 septambra 2025 ho avy izao.
Efa miisa 21 ireo mpisitraka
Talohan’ireto 7 mianadahy ireto dia miisa 21 ireo zaza efa nisitraka ity karazana fandidiana ity tao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana nanomboka ny taona 2024. Efa salama tsara avokoa izy ireo fa mbola misy hatrany ny fanaraha-maso tsy maintsy atao. Raha tsiahivina dia hetsika fandidiana fo miisa dimy no efa notanterahina ny taona 2024 hatramin'izao 2025 izao ka io natomboka ny alatsinainy lasa teo io ny andiany fahadimy. Ny volana jona 2025 kosa ny andiany faha-efatra, ny volana martsa 2025 ny andiany fahatelo, raha toa ka ny volana desambra 2024 ny andiany faharoa ary ny volana may 2024 ny andiany voalohany.
Tsara moa ny manamarika fa fiarahamiasan’ny ekipan’ny CENHOSOA izay miisa 53 tahiran'ny Mpitsabo Kolonely Andriamanjato Rija, "Chef de Département Medico Chirurgical Cardio Vasculaire" sy ny fikambanana « La Chaîne de l’Espoir » ahitana mpitsabo miisa 15, ity hetsika ity.