Foire REGAN : Telo andro hanentanana amin’ny fomba maro mikasika ny fitantanana ny fako
Haharitra telo andro hatrany ny Foire Festival REGAN (Région Analamanga) andiany fahatelo amin’ity taona 2025 ity. Hotanterahina eny amin’ny Stade Barea Mahamasina ny 26 hatramin’ny 28 septambra izao izany. Entina amin’ny lohahevitra hoe « Analamanga, faritra lovainjafy » ny hetsika.
Fitantanana ny fako
Mamorona fako hatramin’ny 1 500 taonina isan’andro i Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny avy ao amin’ny SMA. Isan’ny paikady entina hitantanana ireo fako betsaka mameno tanana ireo ny hetsika toy izao. Mandritra ireo telo andro ireo mantsy dia hisy ny fanentanana samihafa momba ny fikirakirana fako sy ny fanavahana azy ireny mba hahafahana manodina azy. Isan’ny havoitra indrindra izany ao anatin’io lohahevitra io mba ho tanàna maha te honina hatrany ny faritra Analamanga, sy ireo distrika miisa 13 ao anatiny.
Mandritra ireo telo andro ireo dia hiseho amin’ny endriny samihafa ireo fanentanana ireo. Ao anatin’izany ny fampirantiana sy ny famelabelaran-kevitra ary ny fampianarana ny olona mikasika ny fako sy ny manodidina izany. Hisy ny toerana antsoina hoe « Village GADAEM ». Ny GADAEM moa dia ny « Groupement des Acteurs des Déchets et Alternatives Écologiques de Madagascar », izay hikambanan’ireo mpisehatra amin’ny fanodinana fako. Hampahafantarana sy hampianarana ny mpitsidika ny fikirakirana ny fako io Village io. Hanana toerana manokana izy ireo araka izany, hampirantiana ny vokatra avy amin’ny asa fanodinana. « Ho hita ao ihany koa ny vahaolana amin’ny angovo madio izay vokatra avy amin’ny fanodinana fako », hoy ny avy ao amin’ny GADAEM. Isan’ny nomarihin’ny avy ao amin’ny faritra Analamanga, izay mpikarakara fa fotoana natao hampianarana ny olona mikasika ny zavatra azo atao amin’ny fako io fotoana io », hoy i Rachel Razafimanana, avy ao amin’ny faritra.
Fety samihafa
Samy hampiranty ny vokatra mampiavaka azy avokoa ireo distrika 13 ato anatin’ny faritra ireo. Ankoatra izay anefa dia hisy ihany koa ireo fety samihafa, izay nazavain’ny mpikarakara fa Foire Festival no anaran’ilay hetsika, ka anton’ny fety. Araka izany, mifanindra-dalana amin’ireo fampirantiana sy fanentanana dia ahitana mpanakanto samihafa ao. Ao anatin’izany ohatra ny tarika Mahaleo Taranaka sy Iraimbilanja, ny zoma. Hisy an’i Stephanie sy Ljo ary i Tempo Gaigy ny sabotsy ary Hiragasy kosa ny alahady.
Hanamarika ny andron’ny sabotsy 27 septambra io ny « carnaval » lehibe ao afovoan’ny tanàna. Samy hampiseho izay mampiavaka azy avokoa ny distrika 13 ato anatin’ny faritra, mandritra izany.
Marihina fa manohana ity hetsika ity ny Yas Madagasikara. Maneho ny fahavononany hatrany hanampy ny mpandrahara madinika, salantsalany ary ny vaventy rehetra io orinasam-pifandraisandavitra io.