• Cours de change
  • 5163.73 AR
  • |
  • $4460.07 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Championnat de monde & Masters de Pétanque 2025 : Namiratra i Madagasikara

24/09/2025 15:31 © Moov

Tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara ny ampahany amin’ireo mpilalao tsipikanetibe nisolo tena an'i Madagasikara tany Eoropa sy Roma. Tsara laza manerana izao tontolo izao i Madagasikara amin’ny Pétanque.

Mamiratra hatrany i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisampirenena, indrindra moa raha fanatanjahantena no resahina. Ho an'ny Taranja Tsipikanetibe, tsy vao voalohany no nisongadina ireo mpilalao. Tato ho ato dia nandravarava mihitsy ny Malagasy. Vao tsy ela akory ohatra no no norombahin'i Zigle, Tiana sy Baloty ny anaram-boninahitra "Champion tournoi La Roche sur Yon". Manana traikefa tokoa izy ireo, ka nampitolagaga ny maro izany na tamin’ny Masters de Pétanque tany Eoropa na tamin’ny Championnat de monde de Pétanque tany Roma.
Raha tsiahivina, toy izao ny vokatra tany Roma :
-Medaly volamena : Champion du monde Doublette Mixte (Rakotoarisoa Lova sy Ravomanana Fanantenana)
-Medaly volafotsy : Vice-Champion du monde Tête à Tete Sénior Homme (Baloty na Faralahy Ramanantiaray)
-Medaly alimo 2 : Laharana faha-3 isika amin'ny Doublette Sénior Homme (Lova & Baloty) sy Doublette Sénior Dame (Fanantenana & Tita)
Tamin’ny Masters de Pétanque kosa, Vice-champion i Madagasikara, tamin’ny alan’i Zigle, Tiana, Yves ary Baloty.

Fankasitrahana sy fanohanana

Nakotroka ny fitsenana ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ity alarobia 24 septambra ity. Ireo lehilahy moa no tafody, fa ireo vehivavy mbola manoman-tena hiatrika fifaninanana indray. Vory lanona ny avy ao amin'ny Federasion'ny Tsipikanebe, ireo tompon'andraikitra ara-panjakana, ireo mpanohana sy ireo fianakaviana. Nanolotra fanomezana avy hatrany moa ny Yas Madagasikara androany, sady nampanantena fa hisy lanonana makotrokotroka hiarahabana ireo mpilalao, rehefa tonga eto an-toerana avokoa izy ireo.
Mbola hisy ihany koa ny hetsika fankasitrahana manokana ireo mpilalao nandrombaka medaly rehetra ny 13 novambra ho avy izao, izay karakarain’ny Federasion’ny Tsipikanetibe. Araka ny efa voalaza, misy amin'ireo mpilalao no mbola hiatrika fifaninanana amin'ny volana oktobra, dia ny "Championnats du monde Séniors Dame" sy ny "Championnats du monde Jeunes".

Lire la suite

Articles Similaires