Bevohoka manofy zavatra hafahafa : ‘ndeha ho resahana ny mikasik’izany !
Toe-javatra tsy dia resahana matetika nefa dia tena misy ary, indraindray, mety miteraka tebiteby eo amin’ny bevohoka ny fanofisana zavatra na tranga hafahafa mandritra ny fitondrana vohoka. ‘Ndeha ho resahana eto ireo antony mety mahatonga ny bevohoka manofy zavatra hafahafa, ireo karazana nofy matetika mitranga sy ny tokony atao manoloana izany.
Ireo antony mahatonga ny bevohoka manofy zavatra hafahafa
Maro ireo antony mety mahatonga ny bevohoka manofy zavatra na tranga hafahafa. Anisan’izany ny :
-Fikorontanan’ny hormonina. Rehefa miovaova ny fatran’ny hormonina, toy ny « progestérone », dia mety lasa mitarika fikorontanan’ny torimason’ny bevohoka sy ny nofy ataony rehefa matory amin’ny alina ;
-Rarintsaina sy tebiteby. Ny ankamaroan’ny bevohoka dia manana ahiahy mikasika ny fiterahana, ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka na ny fivoaran’ny vatany. Izany ahiahy izany dia mety lasa mipoitra any amin’ny nofin’izy ireny ;
-Fiovana ara-tsaina sy ara-batana. Ny fitondrana vohoka dia mitarika fiovana maro eo amin’ny vatana, ny saina sy ny toe-pon’ny vehivavy. Izany dia mahatonga fifangaroana eo amin’ny « inconscient » sy ny « conscient » ;
Fatapahan’ny torimaso matetika. Mety manakorontana ny « cycles de sommeil » ny fahatapan-tory matetika mandritra ny fitondrana vohoka. Izany dia mety vao maika mampitombo ny hamafin’ny nofy.
Ireo karazana nofy hafahafa mety ataon’ny bevohoka
Mazava ho azy fa tsy misy ny hoe nofy manokana hitovizan’ny bevohoka rehetra. Samy manana ny vatany, ny sainy sy ny toe-pony ny tsirairay ka miankina amin’izany ny nofy ataony.
Amin’ny ankapobeny dia misy ihany ireo karazana nofy hafahafa ataon’ny bevohoka izay mety mikasika ny fiovana ara-batana, fahavoazana ara-batana mahazo ny reny na ny zaza ao am-bohoka, trangan-javatra feno herisetra na toe-javatra misy ifandraisany amin’ny fiterahana…
Mety misy ihany koa ireo nofy sasany mampifoha fahatsiarovana efa nezahana noadinoina na toe-po notoherina mikasika ny maha-reny.
Inona no atao manoloana ireo nofy hafahafa mandritra ny fitondrana vohoka ireo ?
Zavatra « ara-dalàna » ary fahita ny nofy hafahafa mandritra ny fitondrana vohoka. Mba hisorohana ny tebiteby na ahiahy mety aterak’izany dia tsara raha :
-Tsy eritreretina be loatra ireny nofy ireny. Tadidiana hatrany hoe « réaction normale » vokatry ny fiovana miseho mandritra ny fitondrana vohoka izy ireny fa tsy faminaniana zavatra hitranga akory ;
-Ezahana fehezina ny rarintsaina sy ny fihetseham-po. Misy ireo fomba azo atao hampihenana ireo tebiteby sy ahiahy miteraka rarintsaina eo amin’ny bevohoka, toy ny fanaovana « méditation », fampihetsiketseham-batana… Azo atao ihany koa ny miresaka amin’ny vady na ny olona atokisana mikasika ireo zavatra mampitebiteby mba hampamaivamaivana ;
-Manantona mpitsabo raha mahatsapa fa tena mahatsapa fa manelingelina na manakorontana ny torimaso ireo nofy hafahafa ireo.