Rinah Rakotomanga : Nalefan’ny PAC eny Antanimora, miandry ny Fitsarana azy
Taorian’ny niakarany teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), omaly, dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora i Rinah Rakotomanga sy ny sakaizany, araka ny vaovao nampitain’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, androany vao marainan’ny 15 novambra 2025.
Fitantanana tsy mazava ny Madagascar Airlines
Fanodikodinam-bolam-panjakana, fifanolanana tombontsoa, fanomezana tombony olona manokana, fanaovana sy fampiasana hosoka ary fanararaotam-pahefana noho ny andraikitra nosahaniny no vesatra anenjehana an-dRakotomanga Rinah, izay filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines teo aloha. Ity raharaha ity moa dia mikasika mivantana ny fitananana tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Madagascar Airlines. Eo ihany koa ny momba ny orinasa Pro Béton SARLU, izay maha-voarohirohy ny sakaizany. Voalaza mantsy fa nomen-dRakotomanga Rinah an’io sakaizany io ny tsenambaro-panjakana mitentina 498 800 248 Ariary, momba ny fanarenana ny trano fiasan’ny Air Madagascar ao Toamasina. Isan’ny antony nampidirana am-ponja vonjimaika ity sakaizany ity izany firaisana tsikombakomba taminy izany.
Ny 12 desambra 2024 moa no naharay fitoriana mikasika ity raharaha ity ny teo anivon’ny PAC. Olona miisa 6 no indray niakatra teo anivon’ity tendrom-pitsarana ity, omaly. Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ny 5, nohafahana vonjimaika, fa eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsaana kosa ny iray.
Miandry Fitsarana eny Antanimora
Raha tsiahivina dia ny alatsinainy alina teo no voasambotra tany Antetezambaro Toamasina i Rinah Rakotomanga sy ilay sakaizany, rehefa tsy namaly ny fampiantsoana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO). Nandanian’ny BIANCO vola hatrany amin’ny telo tapitrisa ariary ny fanatanterahana ny fanenjehana azy ireo, araka ny fampitam-baovao. Taorian’ny fakana am-bavany natao teo anivon’ny BIANCO dia niakatra teny anivon’ny PAC izy ieo, omaly. Nanomboka tamin’ny 9 ora sy 30 minitra maraina teo ho eo ny fihainoana azy ary nitohy hatramin’ny alina. Rehefa nifarana izany dia izao nandray fanapahan-kevitra ny hampiditra azy vonjimaika eny Antanimora izao ny Fitsarana. Mbola sy fantatra, hatreto ny fotoana hitsarana azy ireo.



