Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny « thym »
Isan’ireo zavamaniry manome hanitra ny sakafo fampiasa amin’ny andavandro ny « thym ». Mbola vitsy no mahafantatra fa azo ampiasaina hikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana ihany koa izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny « thym ».
Vokatsoa azo avy amin’ny « thym » : manampy amin’ny fikoloana ny taovam-pisefoana
Isan’ireo akora natoraly efa fampiasan’ireo razambe amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny taovam-pisefoana ny « thym ». Anisan’ireo vokatsoa azo avy aminy ny :
-Fiadiana amin’ireo bakteria sy viriosy mahatonga ireo « infections ORL ». Mitahiry « thymol » sy « carvacrol » amin’ny tahany ambony tokoa mantsy ny « thym ». Ireo singa ireo no miasa amin’ny fiadiana amin’ireo otrikaretina ;
-Fampitoniana ny kohoka sy ny gripa. Manana fiasa « expectorant » sy « antitussif » ny « thym ». Rehefa ampiasaina atao « sirop » izy io dia manampy amin’ny fanesorana ireo tsentsina ao amin’ny taovam-pisefoana, mampitony ny kohoka ary manamora ny fivoahan’ny rehoka ;
-Fampitoniana ny tenda. Manampy amin’ny fampitoniana ny areti-tenda sy ny « angines » ihany koa ny « thym ».
Mampitony ireo « inflammations » eo amin’ny hoditra ny « thym »
Azo ampiasaina amin’ny fitsaboana ny ratra sy aretin-koditra tsy sarotra ihany koa ny « thym » noho izy manana fiasa « antiseptiques ». Ankoatra izay dia manana fiasa « antifongique » ihany koa izy io, izany hoe mampijanona ny fihombon’ny « champignons ». Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny fanaintainana sy ny fivontosana eo amin’ny hoditra ihany koa izy io noho izy manana fiasa « anti-inflammatoires ». Tsotra ny fampiasana azy. Avela hilona anaty rano mangotra mandritra 10 minitra ny « thym » 5g. Io vokatra io no petapetahana amin’ny alalan’ny « compresses » eo amin’ilay faritry ny hoditra tsaboina.
Fanamarihana
Marihana fa tsy mahasolo ny fitsaboana amin’ny fanafody ny fampiasana ny « thym ». Izany mila manantona mpitsabo hatrany rehefa marary fa tsy miantehitra amin’ny fampiasana azy io. Natao manampy fotsiny ihany izy io fa tsy hitsabo tanteraka.


