Taom-pambolen-kazo 2025-2026 : Kendrena ny handrakofana velaran-tany 70 000 ha
Zanakazo 12.000 fototra no novolena androany, teny Amboara Imerintsiatosika, ho fanokafana ny taom-pambolen-kazo nasiônaly 2025-2026. Nandritra izany no nanambaran’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa manana adidy amin’ny fanarenana ny ala eto Madagasikara ny olom-pirenena tsirairay.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 12 desambra 2025, teny amin’ny Fokontany Amboara, kaominina Imerintsiatosika, Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy, ny taom-pambolen-kazo 2025-2026. Zana-kazo kininina sy kesika 12.000 fototra no novolena, nandritra izany, tamin’ny velaran-tany mirefy 10 ha. Isan’ny antony nisafidianana ity toerana ity ny fahafantarana fa tsy nahitana doro tanety tany an-toerana nandritra ny 7 taona nifanesy.
Fanavaozana mankany amin’ny tontolo iainana maitso
Nitarika ity fotoana ity, niaraka tamin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ireo mpanolo-tsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia notsiahivin’ny mpanolo-tsaina avon’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, fa manodidina ny 44% amin’ny velaran-tanin’i Madagasikara no simba, ka mila averina amin’ny laoniny. Ny fambolen-kazo no isan’ny fomba ahafahana manarina izany.
Mifantoka manokana amin’ny fanavaozana mankany amin’ny tontolo iainana maitso ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, hoy ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaizana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny ala ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy moa no miandraikitra mivantana izany rehetra izany.
Izay mamboly hazo, manome aina
Nilaza ny minisitry ny Tontolo Iainana, Manesimana Rafanomezantsoa Michaël, fa ao anatin’ny fametrahana politika vaovao miompana amin'ny fampandraisana anjara ireo olona eny ifotony ny ministera tantanany, eo amin’ny famokarana zanakazo, na ilay antsoina hoe : "pépinière de proximité". Araka izany dia samy hadray andraikitra amin’ny famokarana zanakazo sy ny fambolen-kazo avokoa, na ny eny anivon’ny sekoly, na ny fiangonana, na ny fikambanana isan-karazany. Tanjona ny handrakofana velaran-tany hatrany amin’ny 70 000 ha amin'ity taom-pambolen-kazo ity, raha toa ka 47 000 ha no tratra tamin’ny taona lasa, araka ny fanazavany.
Sarobidy ny ala, ka manoloana ny fahasimban’izany, ny doro tanety ary ny fampiasana ny ala amin’ny fomba tsy voalanjalanja, dia misy andraikitra goavana tokony horaisin’ny olom-pirenena tsirairay ho fanonerana ny fahasimbana, hoy ny kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry. "Izay mamboly hazo, manome aina" moa no lohahevitra nentina nanamarihana ny fisokafan'ity taom-pambolen-kazo 2025-2026 manerana ny Nosy ity.


