• Cours de change
  • 5262.4 AR
  • |
  • $4551.43 AR
Copyright Image : © Ottosmarket
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro fety : 'Ndao sorohana ny aretin-kibo sy ny "intoxication alimentaire"

22/12/2025 08:53 © Moov

Ampitomboina ny fahamailoana amin'ny fifidianana sy ny fikarakarana sakafo rehefa fety toy izao.

Mitombo be ny isan'ireo mamonjy toeram-pitsaboana rehefa vanimpotoan'ny fety tahaka izao. Amin'ny ankapobeny dia noho ny sakafo tsy voafidy sy tsy voatandrina tsara no mahatonga izany.

Fidiana tsara ny akora ampiasaina

Samy miezaka mihinana sakafo matsiro avokoa ny rehetra amin'izao fety izao. Tsy vitsy ireo ankohonana manokana vola mihitsy mba hikarakarana sakafo miavaka. Na eo aza izany, tsy tokony ho sodokan'ny entana mora eny an-tsena, indrindra ny menaka, ny mayonnaise, ny saosy isan-karazany, ny sokolà, sns. Raha azo atao dia entana efa misy eny an-tsena amin'ny andavan'andro ihany no vidiana, izay efa azo antoka tsara ny mpamokatra azy.
Mikasika ny hena sy ny "fruits de mer", hamarinina tsara ny lokony sy ny fofony vao vidiana. Tsy tokony jifaina intsony ny vokatra raha miova loko (lasa mangana), na dia eny amin'ny tranombarotra lehibe aza.

Hajaina ny fitahirizana ny sakafo

Tsy azo atao tsinontsinona ny fitahirizana ny sakafo, indrindra ny hena sy ny "fruits de mer". Ireo vokatra ireo dia tokony atao anaty "congélateur", izany hoe ilay faritra ambony indrindra amin'ny "refrigérateur". Ny karazana "charcuteries" kosa dia atao anaty vata fampangatsiahana, ary tsy tehirizina mihoatra ny telo andro.
Raha toa ka misy ambiny ny sakafo misy mayonnaise, tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana ka hanina ao anatin'ny 24 ora. Toy izany ihany koa ny mofomamy.

Fanamarihana vitsivitsy

Ireto misy teboka tsara fantatra, mba hisorohana ny loza :
-Tsy azo atambatra ny mayonnaise amin'ny boaty sy ny mayonnaise nahodina tanana ;
-Tsy tokony handrahoina sy hanina intsony ny "fruits de mer" rehefa navoaka ny vata fampangatsiahana tao anatin'ny adiny roa ;
-Tsara raha mihinana voasary makirana rehefa misy "fruits de mer" ny sakafo ;
-Mankarary kibo ny fihinanana sakafo misy mayonnaise na sauce blanche, nefa mihinana mofomamy avy eo ;
-Rano nampangotrahina na "filtré" no anamboarana ranom-boankazo fa tsy ilay rano avy amin'ny paompy avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires