• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faritra Anôsy
Image
Vaovao

Mpox tonga any Amboasary Atsimo : Mihatra any amin’ny Faritra Anôsy ireo fepetra sakana

03/02/2026 12:48 © Moov.Mg

Efa tonga any amin'ny Distrikan'Amboasary, Faritra Anôsy, ny valanaretina mpox, raha ny tatitra nampitain’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho an’ny datin’ny 1 febroary 2025. Manoloana izany dia manamafy ny fepetra ara-pahasalamana ireo tomponandraikitra voakasika ao anatin’ny Faritra.

Fepetra sakana misoroka ny aretina

Nahitana trangana mpox iray voamarina tany amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo, araka ny tatitry ny fivoaran'ny valanaretina avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy. Eo anatrehan’izany dia nanatanteraka fivoriana maika ny COUPS (Centre d’Opération d’Urgence en Santé Publique) any an-toerana, notarihin’ny lehiben'ny Faritra, Randrianarivo Bertrand sy ny lehiben'ny Fileovan'i Taolagnaro Naryson Léopold, ary ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny Fahasalamam-bahoaka rehetra any an-toerana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon'antoka.

Tapaka nandritra izany, fa hampiharina avy hatrany any amin’ny Faritra Anôsy ireo fihetsika sy fepetra sakana, izay efa nahomby nandritra ny fiatrehana ny valanaretina covid-19 ary hahafahana misoroka sy mametra ny fiparitahan’ny mpox ihany koa. Raha tsiahivina dia ireto avy izany : fanaovana arovava, fanajana ny elanelana iray metatra, fialana amin’ny fifampikasokasohana, ny fanasana tanana matetika, sns.

Fanamafisana ny fanentanana

Ankoatra ireo dia nambaran'ny lehiben'ny Faritra fa hamafisina ny fampahafantarana ny momba ity valanaretina mora mifindra ity sy ny fanentanana momba ny sakana ara-pahasalamana hapetraka any an-toerana. Hamafisina tahaka izany ihany koa ny fanaovana fitiliana raha misy tranga mampiahiahy. Etsy an-daniny, efa nirosoan’ny tompon'andraikitra, eny anivon'ny tobim-pahasalamana, ny fanaraha-maso ny olona miisa 34, izay nifanerasera tamin’ity olona iray voamarina fa mararin’ny mpox ity

Raha ny tatitra farany navoakan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia niisa 229 ny trangan’aretina mpox voamarina teto Madagasikara hatramin’ny datin’ny 1 febroary 2026.

Lire la suite

Articles Similaires