Fiarahamonina mirindra : Nankatoavin’ny Fitsarana ny Dina Tsy Mavandy, ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana
Nankatoavin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana ny « Dina Tsy Mavandy », izay fitsipi-pifehezana ara-piarahamonina, manana tanjona ny hampisy fiadanana sy fandriampahalemana any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Fampiharana ny rariny ara-pomban-drazana
Nampahafantarin’ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) androany 4 febroary 2026, fa nankatoavin’ny avy eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana ny maha-manara-dalàna ny « Dina Tsy Mavandy », araka ny didim-pitsarana nivoaka ny volana desambra 2025. Tanjona tamin’ny nanitsiana ity fitsipi-pifehezana ara-piarahamonina ity ny mba hampirindra ny fari-piainana ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ny fandriampahaleman'ny mponina any amin'ny Faritra Atsimo Atsinana. Nambaran’ny Fitsarana fa tsy mifanohitra amin'ny lalàna manan-kery eto amin'ny tanin'ny Repoblika Malagasy ity dina ity, ka azo ampiharina ao antin'ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Nanaraka dingana maromaro ny famolavolana ny Dina Tsy Mavandy, izay niarahana tamin’ireo tomponandraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ireo mpahay lalàna, ireo Ampanjaka, ny Kômity Mpanatanteraka ny Dina (KMD), ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina, avy amin’ny Distrika miisa 5 ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Laharam-pahamehana tao anatin’izany dingana nolalovana izany ny fampanarahan-dalàna ny dina, ny fampifamenoana ny rariny ara-pomban-drazana sy ny rariny araka ny lalàna, ny fandinihana ireo mety ho fihoaram-pefy amin’ny fampiharana ny dina sy ny fanamafisana ny fanajana ny zo maha-olona. Nodinihina akaiky ihany koa ny anjara andraikitr’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampiharana io dina io, narahin’ny fameloma-maso ny KMD.
Fitaovana entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana
Rehefa nankatoavin’ny Fitsarana ny Dina Tsy Mavandy dia azo ampiasaina ho fitaovana entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, sy ho entina miaro ny olona sy ny fananany ary hitandrovana ny firindran’ny fiarahamonina any an-toerana. Voasoratra mazava ao anatin’io fitsipi-pifehezana io mantsy ireo karazana fanapahan-kevitra azon’ny fiarahamonina raisina raha misy trangana halatra, herisetra, fakana an-keriny, fanolanana, fanimbazimbana ny toeram-pandevenana, sy ireo fahadisoana maro hafa mety hiteraka olana eo anivon’ny fiarahamonina. Isan’ny voatsipika manokana, ao anatin’izany, ny momba ny halatr’omby. Mazava ihany koa ny sazy, na vonodina, izay tsy natao hisolo ny fanenjehana ara-pitsarana, araka ny lalàna velona akory.
Isan’ny manan-danja lehibe ao anatin’ny Dina Tsy Mavandy, ankoatra izay, ny fiarovana ny harena voajanahary, toy ny fitantanana ny tany, ny fambolena, ny ala, ny rano, ny ady amin’ny doro tanety… Eo ihany koa ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ary ny fandraisana andraikitry ny rehetra manoloana ireo aretina mety hihanaka eo anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Landja, izay tohanan’ny Tahirin'ny Firenena Mikambana momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana (UNPBF) ara-bola, ny fampanarahan-dalàna ny Dina Tsy Mavandy, tahaka izay efa natao tamin’ny Dinan’i Androy ihany koa. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fitsarana, ny PNUD, ny MSIS Tatao ary ny kaomisaria ambonin’ny Kaomisaria ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (HCDH) ny fanatanerahana ity tetikasa ity.




