• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

Ahiahy tondradrano : Tsy mijanona misy fiakarany ireo renirano amin’ny lemak’Antananarivo

04/02/2026 12:27 © Moov

Raha ny filazana ny fandehanan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo, androany, 4 febroary, tamin’ny 8 ora maraina, dia tsy mijanona miakatra ny rano, hoy ny avy ao amin’ny APIPA.

Mbola mitohy ny filazana miloko mena

Noho izany fiakaran’ny renirano izany dia mbola mitoetra hatrany ny filazana miloko mena (loza mitatao) amin’ireo toerana maromaro, manamorona ny fefilohan’i Sisaony. Mbola mijanona, ho tafiditra ao anatin’izany hatrany ny Kaominina Ampahitrosy, Soalandy Ankadivoribe, Ampanefy, Soavina ary Anosizato Andrefana. Olona eo ho eo amin'ny 3 500 eo, no tandindomin-doza amin’izany raha ny eny Ampahitrosy fotsiny.
Araka izany, miantso sy manentana hatrany ny avy ao amin’ny APIPA, ny hifindran’ireo mipetraka amin’ny toerana iva, mba hamonjy toerana avo sy azo antoka. Tsy mampilaza rahateo ny loza, ka tsy fantatra izay mety ho fahavakisan’ny fefiloha, izay mety hiteradoza.

Miakatra hatrany ny rano

Efatra andro izay no namoaka ity tatitry ny fandehan’ny rano, amin’ny lemak’Antananarivo ity ny APIPA. Tao anatin’izay fotoana izay dia tsy mitsahatra miakatra ny rano eny amin’ireo maridrefy nojerena. Niakatra 0.35m ny haavon’i Sisaony, tao anatin’ny 24 ora, eo amin'ny mari-drefin'Andramasina, satria 1,80 m ny haavony amin’izao. 2,65 m ny eo amin'ny mari-drefin' Ampitatafika. Niakatra 0,16 m ny rano tao anatin'ny 24 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka.
Ho an’ny reniranon 'Ikopa kosa dia efa mahatratra 3,38 m ny haavony eo amin'ny mari-drefin Ambohimanambola, izay nahitana fiakarany 0,55 m, tao anatin'ny 24 ora. Marihina fa 3,50 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo. Mirefy 3,68 m kosa eo amin'ny mari-drefin'i Bevomanga. Niakatra 0,09 m ny rano tao anatin'ny 24 ora ary mbola ahiana hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. Mbola niakatra ihany koa ny reniranon 'i Mamba satria 2,60 m ny haavony eo amin'ny mari-drefin Ambohidroa. Niakatra 0,23 m ny rano tao anatin'ny 24 ora.
Noho ireo fiakarana rehetra tsikaritra ireo dia ilaina ny fiomanana sy ny fitandremana, isaky ny Koaminina handalovan’ireo renirano ireo.

Lire la suite

Articles Similaires