• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Petits Chaperons Rouges
Image
Reny&Zaza

Fitondrana vohoka : ireo fambara tsy dia resahana firy

04/02/2026 12:49 © Moov.Mg

Rehefa miresaka mikasika ny fambaran’ny fitondrana vohoka dia ireo famantarana mahazatra, toy ny hoe maloiloy, mandoa, reraka, manaintaina ny nono… no tonga ao an-tsaina. Raha ny marina nefa dia misy ireo fambara hafa, fahita ihany, izay tsy voaresaka firy nefa mety manamarika ny fiainan’ny bevohoka. Ny fampahafantarana azy ireny dia manampy ny bevohoka hivonona tsara kokoa sy hiatraika am-pitoniana ny fitondrana vohoka.

Fambaran’ny fitondrana vohoka tsy voaresaka firy : fiovaovan’ny toe-po

Tsy ny vatana ihany no miova noho ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka fa ny fihetseham-po ihany koa. Misy vehivavy mahatsapa ho mora tohina be, mety hitomany tampoka na hihomehy tsy misy antony mazava. Ny sasany kosa mahatsapa tebiteby na alahelo tsy fahita teo aloha, indrindra amin’ny volana voalohany. Ara-dalàna tanteraka ireo fiovana ireo, saingy matetika afenina satria matahotra fitsarana na tsy mifanaraka amin’ilay sary hoe “fitondrana vohoka sambatra mandrakariva”.

Olana amin’ny fandevonan-kanina tsy ampoizina

Resahana matetika ny hoe maloiloy rehefa bevohoka, sainga misy olana hafa koa zara raha resahana mikasika ny fikorontanan’ny fandevonan-kanina : « ballonnements », fitohanana maharitra, fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony, fandevonan-kanina miadana na ela be… Avy amin’ny hormonina (progestérone) izay mampiadana ny fiasan’ny tsinay sy avy amin’ny tsindrin’ny tranon-jaza eo amin’ireo taovam-pandevonan-kanina moa no mahatonga izany. Mety hanelingelina ny fiainana andavanandron’ny bevohoka izany, ary indraindray mampijaly mihitsy.

Havizanana lalina sy sarotra hazavaina

Ny havizanana mandritra ny fitondrana vohoka dia fahatsapana te hatory be fotsiny ihany. Maro ny vehivavy mahatsapa azy io toy ny harerahana lalina sy sarotra misinda. Mety hiseho ao anatin’ireo herinandro voalohan’ny vohoka izany, na dia mbola tsy hita aza ny kibon’ilay bevohoka. Izany moa no isany mahasarotra manazava io havizanana io amin’ny manodidina na any am-piasana. Ilaina ny mahafantatra io fambara io satria anisan’ireo famantarana mampiseho fa miasa mafy ny vatana amin’ny fanohanana ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo.

Fiovana eo amin’ny hoditra sy ny volo

Mety misy ihany koa ireo fiovana miseho eo amin’ny hoditra sy ny volo mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ny vehivavy sasany lasa malandilandina sy mamirapiratra ny hoditra, ny sasany kosa mety ho lasa misy mony, makiana na be menaka ny hoditra, misy tasy matroka… Mety hiova ihany koa ny volo : mihamatevina na mihintsana, lasa malefaka na enjana… Mandalo ihany nefa ireo fiovana ireo ka miverina amin’ny laoniny rehefa teraka soamantsara ny bevohoka.

Lire la suite

Articles Similaires