Tanambao Manampotsy : Hisy tetikasa hanalana azy amin’ny fitokana-monina
Kaominina iray hita ao amin’ny Faritra Atsinanana i Tanambao Manampotsy. Alavitra ny misy azy ary ratsy ny lalana, ka mahatonga azy lasa mitoka-monina. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitra ny asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, tany an-toerana, no nanambarany fa hisy ny tetikasa hanalana io toerana io amin’izany fitokana-monina izany.
Tetikasa hanarenana ny lalana
Toerana roa no hahafahana mihazo ny Kaominina Tanambao Manampotsy. Ny iray avy any Moramanga mandalo Anosibe An’ala, ary ny iray kosa dia avy any Vatomandry mihazo Ilaka-Est, izay samy efa simba avokoa. Mbola nihamafy izany fahasimbana izany vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo. Io faharatsian’ny lalana io hatrany anefa no niteraka ny fitokana-monin’ity Kaominina ity, hatrizay. Hamahana izany olana izany indrindra no nilazan’ny Minisitra fa hisy ny tetikasa hanarenana ny lalana amin’ity 2026, ity mba hanalana io toerana io amin’ny fitokana-monina. « Efa nisy ny tetikasa tamin’ny taona 2025 saingy miharatsy hatrany ilay lalana ka hisy indray ny tetikasa vaovao, amin’ity taona ity, mba hamahana ny olan’ny mpampiasa io lalana io », hoy ny Minisitra, Razafindrianarivo Henri Jacob, nanazava.
Toerana manankarena
Isan’ny toerana manankarena sy mamokatra ny vokatry ny tany betsaka i Tanambao Manampotsy. Izany ihany koa dia isan’ny ilana ny fanavaozana sy fanatsarana ny lalana, miditra sy mivoaka any. Amin’izao fotoana izao moa dia lalan-tany no mankany an-toerana, izay miteraka fahasarotana hatrany rehefa fahavaratra. Mijaly araka izany ireo mpanangom-bokatra sy mpamoaka vokatra, ka ho fitsinjovana azy ireo no antom-pisian’ny tetikasa.
Etsy ankilany dia toerana mbola mitahiry ny kolontsaina sy ny vakoka, ao amin’ny faritra Atsinanana, io Kaominina, io ka rariny raha hovelarina amin’ny olona ivelan’ny toerana. Hamoraina ny fidirana ao mba hampandrosoana azy. Nandritra io fidinana ifotony io hatrany dia, nilaza ny Minisitra, fa ampidirina ao anatin’ny tetikasa, ihany koa ny fanamboarana ny lalana, ao amin’ny renivohitry ny Koaminina.




