• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

CCIA : Manolotra fampiofanana matihanina kokoa amin'ny alalan'ny CCIA Pro Academy

04/03/2026 19:45 © Moov

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy, aniroany, 4 martsa, ny toeram-piofananana CCIA Pro Academy. Karazana fampiofanana natao ho an'ireo efa mpiasa sy ireo vao hitady asa no hita ao anatin'izany; izay hatolotry ny Antenimieran'ny varotra sy ny indostria an'Antananarivo (CCIA)

Mamaly ny filàn'ny orinasa

" Maro ny malagasy afaka miasa saingy ny fahaiza-manao no misy fahabangana", hoy i Gil Razafintsalama, Filohan'ny CCIA. Mba hamenoana izay banga izay indrindra no nananganana ity CCIA Pro Academy ity. Tsapan'izy ireo fa mila olona matihanina amin'ny asa tiany hiseharana ny tsirairay raha te hivoatra amin'ny fiainana. Fampiofanana hahatongavana amin'izany indrindra moa no hatolotra ao amin'ity toerana ity.
Mamaly ihany koa ireo filàn'ny orinasa tsirairay tsy an-kanavaka ny fampiofanana satria miainga amin'ny fahaiza-manaon'ny mpiasa ny firoboroboan'ny orinasa. Ho an'ireo mpiasa tena ihany koa dia afaka hivoatra sy ho matihanina kokoa amin'ny fitadiavambolany.

Fampiofanana miisa 3 vaovao

Ao amin'ny CCIA Antaninarenina, izay akaiky ny rehetra, ihany koa no hanatanterahana ny fampiofanana rehetra. Miisa efatra ireo karazana fiofanana azo arahina amin'izany. Ny fampiofanana mikasika ny fahadiovan'ny sakafo hahafahana mahazo ny "certificat HACCP". Eo ihany koa ny fampiofanana ho mpivarokena matihanina sy mahomby kokoa. Izy ity izay ireo mpiasa amin'ny toeram-pivarotana lehibe no efa hanomboka azy, amin'izao andiany voalohany izao. Fahatelo ny fampiofanana mikasika ny fametahana sy fikojakojana takelaka masoandro (panneaux solaires). Ny fahefatra dia ny fampiofanana mikasika ny "assistant de direction 3.0", izay efa nisy hatrany, tao amin'ny CCIA, nandritra ny fotoana ela. Navoaka tamin'ity androany ity ihany koa ny andiany voalohany, nivoaka avy amin'ny CCIA Pro Academy izay nitondra ny anarana "Santatra". Miisa 12 izy ireo, ary nanaraka fiofanana nandritra ny 3 volana.
Marihina fa hanomboka amin'ity enim-bolana voalohany, amin'ity taona 2026 ity, ireo fiofanana roa voalohany. Amin'ny enim-bolana faharoa kosa ny mikasika ny takelaka masoandro, satria mbola misy fitaovana samihafa ilaina, hoy ny fanazavana.
Tamin-kireharehana tanteraka no nanokafan'ny CCIA ity toeram-piofanana ity satria natao hampivoarana ny orinasa eto Madagasikara. "Misy asa maro tsy atao manaraka ny fenitra kanefa betsaka ny tanora ka izay no antony hanomezana fampiofanana azy ireo mba hitondra izany fahaizany izany amin'ny orinasany", hoy i Noro Andriamamonjiarisoa, Filohan'ny Vaomieran'ny fampiofanana ao amin'ny CCIA. Nanamarika izy ireo fa mpampiofana tena matihanina no hizara ny fahaizamanaony amin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires