• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pierre Koval -Mnp
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Lova sarobidy mila fiarovana mafy ny “fiainana dia” eto Madagasikara

03/03/2026 12:24 © Moov

Isaky ny 3 martsa, mankalaza ny Andro Eran-tany ho an’ny fiainana dia (vie sauvage) izao tontolo izao, anisan’izany i Madagasikara. Izany moa dia netina hanamarihana ny sonian’ny fifanarahana CITES tamin’ny 1973 sy ho fanentanana ny fiarovana ny zavaboary tandindomin-doza.

Manan-karena ny fiainana dia eto Madagasikara

Araka ny famaritana, ny « fiainana dia » dia ireo zavamaniry sy biby rehetra miaina an-kahalalahana ao anaty natiora, tsy ompiana sy tsy ambolena. Anisan’izany ny varika any anaty ala, ny sokatra any atsimo, ny honko eny amin’ny morontsiraka, ny hazo sarobidy, ny vorona, ny haran-dranomasina ary ireo « orchidée » madinika sy tsy fahita firy.
Manana anjara toerana lehibe i Madagasikara amin’ny asa fitandroana azy ireny satria tombanana ho 90%-n’ireo karazam-biby sy zavamaniry hita eto no tsy misy afa-tsy eto ihany. Midika izany fa lova tsy manam-paharoa sady andraikitra lehibe ho antsika ny fiarovana azy.
Tsy haingo fotsiny anefa ny fiainana dia. Izy no mitazona ny fifandanjan’ny tontolo iainana : miaro ny tany tsy ho potika, manadio rivotra, mitahiry rano, manampy amin’ny famokarana sakafo ary loharanom-bola ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny harena voajanahary.

Tandindomin-doza ny fiainana dia

Na dia manankarena aza isika dia marefo izany harena izany. Mitombo ny fandravana ala, ny fihazana sy fanondranana tsy ara-dalàna, ny fahasimban’ny toeram-ponenan’ny biby ary ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo rehetra ireo dia manohintohina mivantana ny fahaveloman’ireo karazanjavamananaina maro ireo.
Ny 3 martsa dia voafidy ho Andro Eran-tany ho an’ny Fiainana Dia, ho fahatsiarovana ny sonian’ny Fifanarahana CITES tamin’ny 1973, izay mikendry ny hiaro ireo biby sy zavamaniry tandindomin-doza amin’ny varotra iraisam-pirenena tsy voafehy. Eto Madagasikara, dia efa maro ireo fikambanana sy vondron’olona samihafa ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy, no miara-misalahy amin’ny fiarovana ireo faritra arovana sy fanentanana ny fiarahamonina eny ifotony. Saingy tsy ampy raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay.
Raha ny nomarihin’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana dia miaro ny fiainana dia isika rehefa miaro ala, misoroka ny varotra tsy ara-dalàna ary manabe ny taranaka ho tia tontolo iainana.
Ny fiarovana ny fiainana dia dia fiarovana ny hoavintsika. Ho an’ny zavaboary, ho an’ny taranaka faramandimby, andao hifanome tanana hiaro ity lova tsy manam-paharoa ity.

Lire la suite

Articles Similaires