Aretina raboka : fifindrany, soritr’aretina ary fitsaboana
Isan-taona, ny Andro maneran-tany ho an’ny raboka dia mampatsiahy fa mbola olana lehibe eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ity aretina ity. Raha ny eto Madagasikara manokana dia mbola maro no tsy mahalala tsara azy io. Ireto àry ny fanazavana fototra hahafantarana bebe kokoa ny raboka, manomboka amin’ny fifindrany ka hatramin’ny fitsaboana azy.
Inona no atao hoe aretina raboka ?
Ny raboka na « tuberculose » dia areti-mifindra ateraky ny bakteria antsoina hoe « Mycobacterium tuberculosis », fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe “bacille de Koch”. Matetika dia ny havokavoka (raboka pulmonaire) no tratran’izy io, saingy mety hiseho amin’ny faritra hafa amin’ny vatana ihany koa, toy ny taolana, voa na atidoha.
Tsy marina ny fiheverana fa ny olona sasany ihany, toy ny ankizy sy ny beantitra, no mety ho voa. Afaka tratran’ity aretina ity ny olona rehetra, indrindra raha malemy ny hery fiarovan’ny vatany.
Ahoana no fomba fifindrany ?
Ny raboka dia mifindra amin’ny alalan’ny rivotra. Rehefa mikohaka, mievina na miresaka ny olona voan’ny raboka, dia mamoaka bakteria eny amin’ny rivotra izy, ka mety ho tafiditra amin’ny olona hafa amin’ny alalan’ny fifohana rivotra amin’ny orona na vava izany.
Marihana fa tsy mifindra amin’ny fikasihana (toy ny fifampikasohana tanana) na amin’ny fizarana sakafo sy fitaovana ny aretina raboka. Ankoatra izay dia mety ho voan’io bakteria io ny olona iray nefa tsy marary akory (infection latente) ary tsy mamindra ilay aretina.
Ireo soritr’aretin’ny raboka tokony hotandremana
Mety hiseho tsikelikely ny soritr’aretin’ny raboka amin’ny havokavoka :
-Kohaka maharitra (mihoatra ny 2 na 3 herinandro),
-Tazo malefaka fa mitohy,
-Hatsembohana amin’ny alina,
-Havizanana be,
-Fihenan-danja,
-Indraindray, misy ra miaraka amin’ny kohaka.
Matetika ireo soritr’aretina ireo dia afangaro amin’ny aretina hafa, ka mahatonga fahatarana amin’ny fitiliana.
Fitsaboana ny aretina raboka
Azo sitranina ny raboka amin’ny ankamaroan’ny tranga nefa kosa mila faharetana ny fanarahana ny fitsaboana. Ity farany dia mifantoka amin’ny fampiasana fanafody « antibiotiques » maromaro, izay raisina mandritra ny 6 volana farafahakeliny. Na dia lava aza izany fotoana izany, dia tena ilaina mba hamongorana tanteraka ny bakteria.
Tokony harahina hatramin’ny farany ny fitsaboana, na dia efa mihatsara aza ny fahasalamana. Raha ajanona aloha loatra ny fanafody, dia mety hiteraka raboka mahazaka fanafody (résistante), izay sarotra kokoa ny mitsabo azy.
Amin’ny tranga sasany, indrindra ireo mahazaka fanafody, dia mety haharitra 9 ka hatramin’ny 18 volana na mihoatra ny fitsaboana.
Fanitsiana ireo hevitra diso mikasika ity aretina ity
Maro ireo finonoam-poana na hevitra diso mikasika ny aretina raboka :
-“Aretina taloha izy io” → Diso. Mbola misy sy mahazo olona maro izy amin’izao fotoana izao, indrindra eto Madagasikara.
-“Ny mahantra ihany no voa” → Diso. Na dia misy fiantraikany aza ny fari-piainana, dia mety ho tratra ny olona rehetra.
-“Mahafaty foana izy” → Diso. Raha tsaboina ara-potoana dia sitrana ny ankamaroan’ny tranga.
-“Rehefa sitrana dia tsy mety miverina intsony” → Diso. Mety hiverina indray ny aretina.
Fisorohana sy fitandremana
Ireto no fomba manampy hiarovana amin’ny raboka sy ny fiparitahan’ny aretina :
-Fitiliana ara-potoana,
-Vaksiny (BCG, indrindra ho an’ny ankizy any amin’ny faritra marefo),
-Fanatsarana ny toerana onenana sy ny rivotra mivezivezy,
-Fampahafantarana ny olona mba hampihenana ny fanilikilihana.




