Fanatsarana velon-tena : Olona miisa 400 tao Antsirabe nampiofanina momba ny fiompiana
Olona miisa 400 avy amin’ny fokontany valo eto Antsirabe no nahazo fiofanana momba ny fiompiana akoho. Tanjona ny hanatsara ny famokarana sy ny fidiram-bolan’ny tokantrano, izay tafiditra ao anatin’ny politikam-pampandrosoana entin’ny Faritra Vakinankaratra.
Fiofanana ho valin’ny filan’ny mponina
Faritra manana fironana amin’ny fambolena sy fiompiana i Vakinankaratra. Tombanana ho 80%-n’ny mponina ao aminy no tantsaha. Noho izany, napetraky ny Faritra ho isan’ny laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fanohanana ireo fianakaviana miankina amin’ny famokarana.
Nandritra ny fikaonan-doha “Sedra” natao teto Antsirabe no nanehoan’ny mponina ny filàny fiofanana mifandray amin’ny asa fivelomana sy ny famokarana. Ho setrin’izany dia nanapa-kevitra ny Fitantanana ny Faritra, hanatontosa fiofanana momba ny fiompiana akoho fakana nofo, akoho mpanatody lava ary akoho Kômbô.
Fokontany valo no nisitraka izany tamin’ity andiany voalohany ity. Mba hanamorana ny fandraisana anjara dia nozaraina tamin’ny toerana efatra ireo mpiofana.
Toerana efatra nandray ny mpiofana
Mba hahafahan’ny mponin’Antsirabe, ho maro an’isa no mandray anjara dia nozaraina tamin’ny toerana miisa 4, ny fiofanana. Tao amin’ny MCC Vatofotsy no nandray ireo avy amin’ny fokontany Mahazoarivo, Avarabohitra ary Antsirabe Avaratra. Tao amin’ny CAFPA kosa no nanaovana ny fiofanana ho an’ireo avy any Ivory sy Atsimontsena.
Ho an’ny fokontany 3A, Ampantana ary Antsenakely, dia tao amin’ny Tranompokonolona no nanatanterahana izany. Farany, ireo avy any Tomboarivo sy Marondinta dia nandray anjara tao amin’ny Palanca.
Nazavain’ny tompon’andraikitra fa efa manana sampandraharaha manokana misahana ny fiofanana ny Faritra. Maro ihany koa ireo mpiasam-paritra efa nandalo fiofanana momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Izy ireo indray izao no manampy sy manoro lalana ireo mpandray anjara eny ifotony. Antenaina moa izany rehetra izany, fa hitondra fiovana eo amin’ny velon-tenan’ireo tokantrano, ary hanampy amin’ny fampandrosoana ny faritra amin’ny ankapobeny.



