• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtm
Image
Vaovao

Fitaterana an-tanety : Mpamily fiara vaventy miisa 65 nanamafy fahaiza-manao amin’ny aro-loza

23/04/2026 10:08 © Moov

Na dia efa matihanina sy efa ela niasana teo amin’ny familiana fiara vaventy aza dia miofana hatrany. Mpamily miisa 65 no notolorana mari-pankasitrahana, noho ny fahavitana fiofanana manokana, mikasika ny aro-loza.

Fiofanana hampihenana ny loza

Tanjon’ity fampiofanana ity ny hampihena araka izay tratra, na hanafoana tanteraka ny loza ateraky ny fiara vaventy, indrindra eny amin’ny lalam-pirenena. Raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro (MTM) dia 13.6% tamin’ireo fiara voakasiky ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena tamin’ny taona 2024 dia fiara vaventy avokoa. Raha ny antontan’isa dia fiara 760 amin’ireo 5 582 izany. Manoloana izany, dia nanamafy ny ezaka ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny fampihenana ny loza sy fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpamily.
Marihina fa izany fampiofanana izany dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny MTM, ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-tanety (Agence des Transports Terrestres # ATT) ary ny orinasa Henri Fraise Fils et Cie. Nambaran'ny Minisitra, Andrianavalona Ramanambola Herizo, nandritra ny lahateniny moa fa « mifanaraka amin’ny Politika Nasionaly momba ny aro-lozan’ny fifamoivoizana ity hetsika ity ». Etsy ankilany dia manohana ny tanjon’ny Firenena Mikambana, izay hampihena hatramin’ny 50% ny isan’ny maty sy maratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030.

Hampiharina tsy ho ela ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana 2017

Ity fampiofanana ity moa raha ny vina dia haparitaka manerana an’i Madagasikara. Notsindrian’ny Tale Jeneralin’ny Henri Fraise Fils et Cie, fa « ny fahaiza-manao sy aro-loza dia tsy safidy fa adidy ». Araka izany, ny rehetra no manana izay adidy izay, hifampiaro sy hiaro ireo mpampiasa lalana samihafa.
Mifandray indrindra amin’izany dia nilaza ny minisitra fa efa eo an-dalam-pamaranana ny fandrafetana, ny « didy fampiharana » ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana 2017 ny Ministera ankehitriny. Ity didy ity no hanamafy ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny sazy ho an’ireo mpandika lalàna eo amin’ny sehatry ny fitaterana, izay matetika mitera-doza. Nohamafisina kosa ny fanatsaharana ny fihetsika rehetra mety hampidi-doza.

Lire la suite

Articles Similaires