• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bébé Passion
Image
Reny&Zaza

Fiovaovan’ny lanja mandritra ny vohoka: rahoviana no tokony hanahy?

24/04/2026 15:54 © Moov.Mg

Zavatra ara-dalàna ary ilaina mihitsy ho an’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo ny fitomboan’ny lanja mandritra ny fitondrana vohoka. Misy fotoana nefa izy io mety mampanahy ny bevohoka rehefa miakatra haingana loatra, miadana loatra, na miovaova be. Rehefa ahoana àry no ara-dalàna ny fiovaovan’ny lanja mandritra ny vohoka ary rahoviana no tokony hanahy ?

Fitomboan’ny lanja andrasana sy ara-dalàna mandritra ny fitondrana vohoka

Mandritra ny fitondrana vohoka dia miova ny vatana mba handraisana sy hanohanana ny zaza ao an-kibo. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 16 kg ny fitomboan’ny lanja (prise de poids) ho an’ny vohoka iray (zaza tokana).
Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo lafin-javatra maro samihafa mamaritra ny fitomboan’ny lanja mandritra ny vohoka :
-ny lanjan’ilay zaza,
-ny ahitra (placenta),
-ny rano manodidina ny zaza (liquide amniotique),
-ny fitomboan’ny ra ao amin’ny vatana,
-ny tahiry tavy ilaina amin’ny fampinonoana,
-ary indraindray ny fitazonan-drano (rétention d’eau).
Misy dingana ihany koa ny fitomboan’ny lanja : matetika miadana amin’ny voalohany, avy eo miha-mitombo amin’ny telovolana faharoa sy fahatelo.

Miovaova arakaraka ny vehivavy tsirairay

Tsy misy “courbe unique” amin’ny fitomboan’ny lanja mandritra ny vohoka. Misy anton-javatra maro mety hisy fiantraikany amin’izy io :
-ny lanja talohan’ny vohoka,
-ny sakafo,
-ny fampiasam-batana,
-ny fitazonan-drano,
-ny vohoka maro (jumeaux, sns.),
-na koa ny maloiloy sy mandoa amin’ny volana voalohany.
Misy vehivavy tsy mitombo firy amin’ny voalohany, avy eo mitombo haingana taty aoriana. Misy kosa mitombo haingana avy hatrany nefa tsy voatery mampanahy.

Rahoviana no tokony hanahy ?

Misy toe-javatra sasany tokony hitandremana.

Fitomboan’ny lanja tampoka sy haingana loatra

Mety hifandray amin’ny :
-fitazonan-drano be loatra,
-tosi-dra ambony mandritra ny vohoka,
-« prééclampsie » amin’ny tranga sasany.
Tokony manatona mpitsabo raha misy :
-fivontosana tampoka amin’ny tarehy, tanana na tongotra,
-aretin’andoha tsy mety misinda,
-fahitana manjavozavo,
-havizanana tsy mahazatra.

Tsy mitombo lanja na mihena

Raha tsy mitombo lanja na mihena mandritra ny fotoana maharitra, indrindra aorian’ny telovolana voalohany, dia mety misy hifandraisany amin’ny :
-mandoa be loatra (hyperémèse gravidique),
-tsy fahampian-tsakafo,
-olana amin’ny fandevonan-kanina.
Ilaina ny fanaraha-mason’ny mpitsabo izany mba hijerena ny fahasalaman’ny zaza.

Elanelana be mihoatra amin’ny toromarika ara-pahasalamana

Raha lavitra be amin’ny lanja andrasana ny fitomboana, dia mety hampitombo « risques » sasany, toy ny :
-diabeta mandritra ny vohoka,
-zaza kely na lehibe loatra,
-fahasarotana amin’ny fiterahana.
Tsy midika aretina avy hatrany izany, fa mila fanaraha-maso akaiky kosa.

Ny anjara asan’ny fanaraha-maso ara-pahasalamana

Ampatsiahivina hatrany fa tena ilaina ny fisafoana mandritra ny fitondrana vohoka. Mandritra io fitsidihana ara-pitsaboana ny bevohoka io no hanatanterahan’ny mpitsabo ny :
-fanaraha-maso ny lanja,
-fandrefesana tosidra,
-fijerena ny fitomboan’ny zaza,
-ary fanoroana sakafo raha ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires