• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikarakarana volo amin’ny akora natoraly : ireo fahadisoana mila tandremana

18/05/2026 16:31 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ny olona mirona amin’ny fikarakarana volo amin’ny akora natoraly vita ao an-trano. « Masque » natoraly, menaka isan-karazany, na « recette » hita eny amin’ny aterineto izay heverina ho mora sy tsy mampidi-doza. Ekena fa mety mitondra vokatsoa tokoa izy ireny, nefa koa misy ireo fahadisoana amin’ny fampiasana azy izay mety hanimba ny volo. Araho eto ary ireo fahadisoana mila tandremana amin’ny akora natoraly fikarakarana volo vita ao an-trano.

Fampiasana akora mahery matetika loatra

Anisan’ny fahadisoana voalohany amin’ny fikarakarana volo amin’ny akora natoraly ny fampiasana akora mahery matetika loatra. Misy « recette » sasany mampiasa voasary makirana, karibonetra, vinaigitra na sira. Marina fa mety hahatonga ny volo ho madio sy hamirapiratra vetivety izy ireo, nefa raha ampiasaina matetika loatra dia mety hanimba ny hodi-doha sy hanamaina ny volo.
Ny voasarimakirana sy ny karibonetra, ohatra, dia mety hampamaina be ny volo ary hiteraka « irritation » amin’ny hodi-doha. Ho an’ny olona sasany dia mety hiteraka fahatapahan’ny volo mihitsy aza izany. Mora tratran’izany kokoa ny volo olioly, volo maina na efa marefo.

Fampiasana menaka be loatra

Malaza amin’ny fikarakarana volo ny diloilo coco, menaka kinana na menaka oliva noho izy ireny manampy amin’ny famelomana ny volo. Maro arak’izany no mihevitra fa arakaraka ny habetsaky ny menaka ahosotra no maha tsara kokoa ny vokany.
Raha ny marina anefa, ny menaka tafahoatra dia mety hanentsina ny hodi-doha sy hampavesatra ny volo. Raha tsy voasasa tsara koa ny menaka dia mety hiraikitra aminy ny loto sy vovoka ka hahatonga ny volo ho vasoka sy ho « gras » fa tsy ho salama.

Famelàna « masque » ela loatra amin’ny volo

Misy olona mamela ny vokatra fikarakarana ny volo mandritra ny alina iray manontolo mba hampahomby izany kokoa. Misy nefa akora sasany tsy tokony hijanona ela loatra amin’ny volo na amin’ny hodi-doha.
Ny « masque » misy atody, yaourt na proteinina, ohatra, dia mety hampahenjana sy mora tapaka ny volo raha avela ela loatra. Misy koa ireo fangaro mety hiteraka hidihidy na fofona tsy mahafinaritra, indrindra rehefa mafana ny andro.

Fangaro be loatra ao anaty “recette” iray

Misy amin’ireo « recettes » sasany ao amin’ny aterineto no mampifangaro menaka zavamaniry maro, voankazo ary akora samihafa. Betsaka no mieritreritra fa arakaraka ny maha betsaka ny fangaro no maha tsara ny vokany. Izany nefa dia mampitombo ny mety hisian’ny « irritation » na « incompatibilités » amin’ireo akora.
Sarotra ihany koa ny mamantatra hoe iza amin’ireo akora no tena mety amin’ny volo. Matetika, ny fikarakarana tsotra sy mifanaraka amin’ny volo no mahomby kokoa.

Fampiasana akora natoraly tsy mifanaraka amin’ny karazana volo

Ny akora natoraly sy vokatra azo amin’izany izay mety amin’ny olona iray dia tsy voatery hahomby amin’ny olona hafa. Tsy mitovy ny ilain’ny volo maina, volo « gras », volo olioly, volo manify na volo nolokoina.
Ohatra, misy menaka mety tsara amin’ny volo tena maina nefa mety hampitera-menaka be ny volo manify. Ny volo nolokoina koa dia mety tsy hahazaka akora mahery sasany noho izy efa marefon’ny lokom-bolo.

Finoana ny fikarakarana volo amin’ny akora natoraly dia ampy

Afaka manampy amin’ny fikolokoloana ny volo ny fikarakarana volo amin’ny akora natoraly vita an-trano, saingy tsy mahavita ny zava-drehetra izy ireny. Ny sakafo tsy voalanjalanja, ny adin-tsaina, ny fikorontanan’ny hormonina na ny fampiasana hafanana tafahoatra amin’ny volo dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny volo ihany koa.
Raha miha betsaka ny volo mihintsana, misy faritra sola na misy olana maharitra amin’ny hodi-doha, dia tsara kokoa ny manatona mpitsabo na « spécialiste » momba ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires