• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Box'N Services
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahazarana tsy tsikaritra izay mampihena ny faharisihana amin’ny asa

08/06/2026 11:49 © Moov.Mg

Tena ilaina amin’ny fahombiazana ara-kasa ny faharisihana na « motivation ». Izy io no manome ny finiavana sy faharetana amin’ny fanatanterahana ny asa. Misy nefa fahazarana isan’andro mety hampihena tsikelikely azy io nefa tsy tsiaritra akory. Rehefa maharitra moa ireo fahazarana ireo dia misy fiantraikany amin’ny herintsaina sy ny fahafahana manatratra tanjona, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa sy fitadiavana. Inona avy àry ireo fahazarana mampihena ny faharisihana amin’ny asa ka tokony ialana ?

Fahazarana mampihena ny faharisihana amin’ny asa : ny fangatahan’andro

Isan’ny fahavalon’ny faharisihana amin’ny asa ny fangatahan’andro na ny fanemorana ny fotoana hanatanterahana asa. Arakaraky ny hanemorana zavatra iray no mahatonga azy ho lasa sarotra sy manorisory. Miteraka rarintsaina sy fanameloan-tena ny fananana io fahazarana io ka lasa mampihena ny fahazotoana hiasa. Mba hisorohana izany dia tsara ny manomboka amin’ny asa madinika sy mora atao. Na minitra vitsy monja aza dia afaka manampy handrisika ny fahavononana sy ny fahazotoan’ny tena.

Fandaniana fotoana be loatra amin’ny tambajotra sosialy

Manome fialamboly sy zavatra mahaliana tsy tapaka ny tambajotra sosialy. Rehefa tafahoatra nefa ny fampiasana azy ireny dia mety hampihena ny fifantohana ary hahatonga antsika hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa.
Io fampitahana tsy tapaka io moa dia mety hampihena ny fahatokisan-tena sy hahatonga antsika hanadino ny tanjona manokana, indrindra amin’ny sehatry ny asa sy fitadiavana. Azo atao tsara ny mampiasa tambajotra sosialy fa mila hay kosa ny mametra ny fotoana laniana amin’izany.

Tsy fahampian-torimaso

Misy fiantraikany mivantana amin’ny atidoha ny tsy fahampian-torimaso. Sarotra kokoa amin’ny olona reraka ny mifantoka, mandray fanapahan-kevitra ary mitazona ezaka maharitra.
Ny torimaso ampy dia manampy amin’ny fitazonana ny hery ara-batana sy ara-tsaina ilaina mba hahafahana mijanona ho mazoto sy hanana ny faharisiana hanatanteraka ny asa.

Fitadiavana fahalavorariana

Ny fitadiavana fahamavorariana dia isan’ireo fahazarana mety hampihena ny fahavitrihana amin’ny asa. Mety ho lasa sakana amin’ny fanatratrarana ny tanjona ara-kasa moa izany. Ny tahotra ny hanao hadisoana, etsy andaniny, dia mety hanakana tanteraka ny fandraisana andraikitra.
Na eo amin’ny sehatry ny asa na amin’ny lafin-javatra samihafa eo amin’ny fiainana dia ny fandrosoana no zava-dehibe kokoa noho ny fahalavorariana. Ny fanekena fa tsy voatery ho tonga lafatra hatrany ny zava-drehetra dia manampy antsika handroso.

Fametrahana tanjona sarotra loatra

Tsara ny manana faniriana lehibe sy mijery lavitra. Saingy ny fananana tanjona tsy mifanaraka amin’ny zava-misy dia mety hitarika fahadisoam-panantenana haingana ary hampihena ny faharisihana amin’ny asa.
Mety kokoa raha zaraina ho dingana madinika ny tanjona iray mba hahamora ny fahitana ny fandrosoana sy hitazomana hatrany ny fahavononana.

Lire la suite

Articles Similaires