Ireo fahadisoana tsy mampahomby ny « vente en ligne »
Maro ankehitriny ny olona voasarika amin’ny « vente en ligne » na varotra an-tserasera satria toa mora sy haingana ny manomboka azy. Maro ihany koa nefa no kivy rehefa afaka volana vitsivitsy satria tsy mahita vokatra. Matetika nefa dia tsy ny vokatra no olana, fa ireo fahadisoana miverimberina izay manakana ny fivarotana tsy handeha tsara sy mampihena ny fitokisan’ny mpanjifa.
Misafidy vokatra tsy tena misy tinady
Isan’ny fahadisoana mahazatra indrindra tsy mampahomby ny « vente en ligne » ny fivarotana vokatra tsy tena misy tinady. Amin’ny tontolo an-tserasera dia tokony hamaly filàna na olana tena misy ny vokatra amidy. Maro no manomboka varotra an-tserasera amin’ny entana tsy dia tadiavin’ny olona loatra. Alohan’ny hivarotana dia mila jerena :
-izay tena tadiavin’ny olona matetika ;
-ireo vokatra malaza amin’ny tambajotra sosialy ;
-ny hevitry ny mpanjifa ;
-ny vidiny apetraky ny mpifaninana.
Ny vokatra ilaina sy be mpitady dia mora amidy kokoa.
Tsy miraharaha ny kalitaon’ny sary
Amin’ny varotra an-tserasera, indrindra amin’ireo tambajotra sosialy toy ny Facebook, dia tsy afaka mikasika ny vokatra ny mpanjifa. Noho izany dia tena zava-dehibe ny sary. Ny sary tsy mazava, maizina na ratsy kalitao dia mampihena avy hatrany ny fitokisan’ny olona. Indraindray koa misy mpivarotra mampiasa sary tsy tena mifanaraka amin’ny vokatra, ka miteraka fahadisoam-panantenana.
Ny sary tsara dia tokony :
-mazava sy madio ;
-mampiseho lafiny maro ;
-tena mitovy amin’ilay vokatra tena izy ;
-manasongadina ny antsipiriany.
Manoratra famaritana fohy loatra
Maro ny mpivarotra manoratra teny vitsivitsy fotsiny momba ny vokatra amidy. Ny mpanjifa nefa mila « descriptions » sy « informations » mazava.
Tokony hazavaina ao :
-ny habeny ;
-ny akora nanaovana azy ;
-ny fiasany ;
-ny tombontsoa ;
-ny fomba fampiasana ;
-ny fanaterana ny entana.
Arakaraka ny mampazava ny fanazavana no mahavoasarika ny olona hividy.
Ela ny famaliana ny hafatra
Amin’ny varotra an-tserasera, tian’ny mpanjifa ny valiny haingana. Raha miandry ela loatra izy dia mety hifindra any amin’ny mpivarotra hafa. Na fanontaniana tsotra aza, raha tsy voavaly dia mety hampihena ny fitokisana. Tena zava-dehibe ny famaliana haingana ny hafatra miafina sy ny « commentaire ».
Tsy miraharaha ny « service après-vente »
Maro ny mpivarotra an-tserasera mihevitra fa vita ny asa rehefa lafo ny entana ary voaray ny vola. Tena ilaina nefa ny « service après-vente ». Rehefa afa-po ny mpanjifa dia afaka manoro ny mpivarotra amin’ny hafa. Raha ratsy kosa ny traikefa azony dia mety hanimba ny lazan’ilay fivarotana an-tserasera.
Ilaina arak’izany ny :
-manampy raha misy olana ;
-manazava momba ny famerenana entana ;
-miteny am-pahalalam-pomba hatrany.
Mahalana vao mamoaka « publication »
Amin’ny tambajotra sosialy dia very « visibilité » haingana ny pejy tsy mavitrika. Misy mpivarotra mamoaka « publications » maro betsaka andro vitsivitsy dia tsy hita intsony mandritra ny fotoana ela. Ny fisehoana tsy tapaka dia manampy :
-hahasarika mpanjifa vaovao ;
-hahatonga ny pejy ho hita hatrany ;
-hanamafy ny fitokisan’ny mpanjifa ;
-hanehoana fahamatorana amin’ny varotra atao.
Maka tahaka fotsiny ny hafa
Azo atao tsara ny maka hevitra amin’ny hafa, fa ny maka tahaka tanteraka kosa nefa dia tsy manampy. Ny mpanjifa dia mahatsikaritra pejy mitovy amin’ny hafa. Ilaina arak’izany ny fahaizana miavaka amin’ny hafa. Azo atao ny :
-mamorona fomba fanaovana « publications » manokana ;
-manamboatra tolotra miavaka ;
-mampiasa fomba manokana amin’ny fanehoana ny vokatra.
Te hahazo vola haingana loatra
Maro no mihevitra fa mampahazo vola be haingana ny varotra an-tserasera. Rehefa tsy izany ny mitranga dia kivy izy ireo. Ny marina nefa dia mila :
-fotoana ;
-faharetana ;
-fitsapana (tests) ;
-fanatsarana tsy tapaka.
Raha fintinina dia afaka mahazo tombony tsara ny varotra an-tserasera rehefa atao araka ny tokony ho izy. Ny fahadisoana mahazatra dia avy amin’ny tsy fahampian’ny fandaminana sy faharetana. Raha ialana ireo hadisoana ireo dia mora kokoa ny manangana asa matanjaka sy maharitra amin’ny aterineto, indrindra amin’ny tambajotra sosialy.




