• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Bouscule
Image
Asa & Fianarana

Asa : Torohevitra hamerenana ny fifantohana aorian’ny fanelingelenana

18/06/2026 11:36 © Moov.Mg

Indraindray, antso an-telefaonina, fampandrenesana amin’ny finday, na fanontaniana tsotra avy amin’ny mpiara-miasa fotsina dia efa ampy hanapahana ny fifantohana. Rehefa voatapaka tampoka ny asa atao dia mety ho sarotra ny miverina mifantoka haingana. Ireto àry misy fomba tsotra afaka manampy hamerenana ny fifantohana amin’ny asa aorian’ny fanelingelenana.

Inona no mahatonga ny fanelingelanana manapaka ny fifantohana amin’ny asa ?

Rehefa mifantoka amin’ny asa iray isika dia mampiasa loharanon-tsaina maro ny atidoha mba handinihana sy hitahirizana ireo « informations » ilaina. Raha misy zavatra manapaka izany dia voatery mifindra amin’ny zavatra hafa ny saintsika. Rehefa tapitra ilay fanelingelenana dia mila fotoana indray ny atidoha mba hitadidiany ny zavatra nifantohany sy hiverenana amin’ny haavon’ny fifantohana teo aloha.

Fomba hamerenana ny fifantohana : maka segondra vitsy hanaovana topimaso

Aorian’ny fanelingelenana dia tsy maika hiverina avy hatrany amin’ilay asa. Mila maka segondra vitsy hamerenana mijery ny asa natao na ny antontan-taratasy niasana talohan’izany mba hamaritana ny dingana manaraka tokony hatao. Io fotoana fohy io dia manampy ny atidoha hahatsiaro ny zavatra niasany.

Esorina ireo loharanon’ny fanelingelenana hafa

Matetika ny fanelingelenana iray dia mety hitarika amin’ny fanelingelenana hafa. Mba hisorohana izany dia azo atao ny manala ny feon’ny finday, manakatona ireo pejy tsy ilaina amin’ny solosaina, na manafoana vetivety ny fampandrenesana (notifications) sasany. Ny tontolo milamina kokoa dia manampy amin’ny famerenana haingana ny fifantohana.

Mampiasa lisitry ny asa

Ny fananana lisitra mazava momba ireo asa tokony hatao dia manamora ny fiverenana amin’ny asa rehefa misy fanelingelenana. Na dia tapaka tampoka aza ny asa, ny fijerena io lisitra io dia ampy hahafantarana avy hatrany izay tokony hatao manaraka. Izany dia mampihena ny fandaniana fotoana sy ny fahatsapana ho very hevitra aorian’ny fanelingelenana.

Miala sasatra vetivety raha ilaina

Indraindray ny fanelingelenana dia mitranga amin’ny fotoana mahareraka na feno adin-tsaina antsika. Raha izany no mitranga dia tsara raga maka aina minitra vitsy fa tsy manery tena hiverina hiasa avy hatrany. Ny fitsanganana kely, fisotroana rano, na fanaovana « respiration profonde » dia afaka manampy amin’ny fanadiovana ny saina sy fanarenana ny hery.

Atomboka amin’ny asa tsotra

Raha sarotra ny miverina mifantoka amin’ny asa aorian’ny fanelingelenana dia tsara raha asa kely sy mora mifandray amin’ilay lehibe no hatomboka atao. Ny fanerena tena hanohy avy hatrany amin’ny asa lehibe na mavesatra dia mety vao maika hampikatso ny fifantohana. Aleo zarina tsikelikely amin’ny asa maivamaivana ny saina mba hampiverina mora ny fifantohana sy ny fahavitrihana hanatanteraka ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires