• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ia Rvk
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Ahiana ny firotsahan’ny havandra, anio, aty afovoan-tany

08/06/2026 14:32 © Moov.Mg

Noho ny fikorontanan’ny habaka misy amin’izao fotoana izao dia mampitandrina ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro fa mety hisy firotsahan’ny havandra amin’ny toerana avo sasantsasany aty afovoan-tany, anio 8 jona 2026. Entanina ny mponina mba ho mailo sy hiomana manoloana ireo tranga mety hitranga.

Orana sy havandra tsy fahita firy, mety hitranga

Vinavinaina hahazo orana ny faritra maro eto Madagasikara, noho ny fikorontanan’ny atmôsfera amin’izao fotoana izao. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, dia anisan’ireo faritra mety hisy rotsak’orana ny afovoan-tany sy ny tapany atsimon’ny Nosy, ny morontsiraka afovoana atsinanana ary ny ilany atsimo atsinanan’i Madagasikara.

Ankoatra ny orana, tombanana ny mety hisian’ny havandra any amin’ireo toerana avo aty afovoan-tany. Na dia tsy fahita matetika aza ny havandra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao, dia mampahatsiahy ireo teknisianina fa mety hiseho avokoa ny trangan-javatra rehetra eo amin’ny toetry ny andro rehefa feno ny fepetra manamora izany.

Fikorontanana mandalo ihany

Araka ny fanazavan’ny teknisianina avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, androany ihany no tena hahitana ity fikorontanan’ny habaka ity. Tombanana hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny toetry ny andro manomboka rahampitso talata, ary hitohy izany mandritra ny telo andro manaraka. Midika izany fa tokony hihena ny mety hisian’ny rotsak’orana sy ny havandra amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ao anatin’ny andro vitsivitsy.

Anio moa no somary mangatsiaka kokoa ny toetry ny andro manerana an’i Madagasikara, fa manomboka rahampitso dia vinavinaina hisy fiakarana tsikelikely ny mari-pana, indrindra ny mari-pana ambony indrindra, izay mety hahatratra 24 hatramin’ny 25°C. Mbola hitohy kosa ny hatsiaka amin’ny alina sy ny vao maraina, indrindra aty afovoan-tany, ka hihodidina ny 8 hatramin’ny 12°C ny mari-pana ambany indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires