Fampiroboroboana ny tenin-dreny : Homena lanja bebe kokoa ny teny malagasy eo amin’ny asam-panjakana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany alatsinainy 8 jona 2025, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny hetsika “Hadimiana Sandratra”, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Volan’ny Teny Malagasy. Nandritra izany no nanamafisan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny finiavany hanandratra bebe kokoa ny fampiasana ny teny malagasy, sy hanome sehatra misimisy kokoa ireo matianina amin’ny fampiroboroboana azy.
Natomboka tamin’ny fanolorana ny boky iraisana « Sandra-kanto » ny hetsika “Hadimiana Sandratra”, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ahitana pejy 148 ity boky ity ary mampivondrona ny sanganasan’ireo mpanoratra miisa 77 avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara. Taratry ny haren’ny famoronana sy ny fahaveloman’ny haisoratra malagasy amin’izao vanim-potoana izao izany.
Fanomezana lanja ireo matianin’ny literatiora
Taorian’ny lanonam-panokafana dia nanambara ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, fa isan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny sehatra rehetra. Nambarany fa mbola manjaka amin’ny raharaham-panjakana maro ny fampiasana teny vahiny, na amin’ny taratasim-panjakana, na amin’ny didim-pitsarana, na amin’ireo peta-drindrina sy fampitam-baovao isan-karazany. Ho setrin’izany dia kasaina hapetraka amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra ny fampiasana bebe kokoa ny teny malagasy, amin’ny fifandraisana ofisialy sy ny antontan-taratasy samihafa.
Nanamafy ihany koa ny minisitra fa homena sehatra bebe kokoa ireo akademisianina sy fikambanana misehatra amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy. Anisan’ny tetikasa hotanterahina ny famolavolana ny Politika Nasiônalin’ny Kolontsaina, izay tsy mbola ananan’i Madagasikara hatramin’izao. Eo koa ny famoahana ny karatra matianina (carte d’identité culturelle), izay hametraka fenitra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny kolontsaina sy hanamora ny fahafahan’ireo matianina amin’ny literatiora malagasy mitady lalam-barotra eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay, kasaina hatsangana ny « résidence d’écriture », izay ivon-toerana natokana ho an’ny mpanoratra hiofanana sy hifanakalozana traikefa.
Hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto
Haharitra dimy andro ity hetsika “Hadimiana Sandratra” ity, manomboka androany 8 ka hatramin’ny 12 jona. Isan’ny ho hita, mandritra izany, ny fampirantiana misokatra ho an’ny besinimaro sy ny fivarotana boky ary gazety Ambioka, eny amin’ny Tranombokim-pirenena. Maro ihany koa ireo velakevitra sy fifanakalozan-kevitra hiarahana amin’ireo olona manana ny toerany eo amin’ny afnoratana, ka anisan’izany ny Mpitandrina,Pasitera Irako Ammi Andriamahazosoa sy ny Jeneraly Désiré Ramakavelo. Ny seho an-kiran’i Ralanto no hamarana ny fandaharam-potoana, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, arahin’ny “Lasin’Ainga”, izay hiarahan’ireo matianin’ny literatiora malagasy any Mandraka.




