• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Projet Picas 1
Image
Vaovao

Betroka : Fanarenana lemaka voatondraka mirefy 448 hektara hanatsarana ny famokarana vary

10/06/2026 16:31 © Moov

Notanterahina, androany, tao amin’ny distrikan’i Betroka ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanarenana ireo lemaka voatondraka ao Ambinany Ivahona sy Edazo Bevoay. Tanjona amin’izany ny hampitombo ny famokarana ara-pambolena sy hanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo ao amin’ny faritra.

Fotodrafitrasa ho fanohanana ny famokarana

Anisan’ny paikady napetraky ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo ny fanarenana ireo fotodrafitrasa fanondrahana mba hampitomboana ny vokatra eny ambanivohitra. Ao anatin’izany no hanatanterahana ny asa fanarenana ireto lemaka voatondraka ao Ambinany Ivahona, kaominina Ivahona, sy Edazo Bevoay, kaominina Tsaraitso.
Mitotaly 448 hektara ny velaran-tany ho voakasiky ny tetikasa, ahitana 320 hektara ao Ambinany Ivahona ary 128 hektara ao Edazo Bevoay. Tombanana hahazo tombontsoa mivantana amin’izany ny olona manodidina ny 3.000, anisan’izany ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpampiasa Rano (AUE) miisa 500 ao Ivahona sy 100 ao Edazo.

Fambolena mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro

Ankoatra ny fampitomboana ny famokarana vary, kendrena amin’ity tetikasa ity ihany koa ny hanamafisana ny fahafahan’ny sehatry ny fambolena miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Antenaina fa hanampy amin’ny fitantanana tsara kokoa ny rano sy hampihenana ny voka-dratsin’ny haintany na ny tsy fahampian-drano ny fotodrafitrasa hatsangana.
Haharitra enim-bolana ny asa, izay hotanterahin’ny orinasa Tozzi Green sy Fandrosoana Construction. Ny birao GERCO kosa no hiandraikitra ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny fizotry ny asa.
Marihina fa notarihin’Andriamatoa Rakotondranaivo Lovaniaina, Tale Jeneralin’ny Fambolena, sy Andriamatoa Lahiniriko Mahavivitsy, Talen’ny Sampana Fisorohana ny Kolikoly eo anivon’ny ministera, ny lanonana. Nanatrika izany ihany koa ny mpandrindra ny tetikasa PICAS-1, ireo ben’ny tanànan’i Ivahona sy Tsaraitso, ny raiamandreny ara-drazana ary ny solontenan’ny mpampiasa rano.

Lire la suite

Articles Similaires